Fitombokase manga no nipetraka tamin’ny mari-pahaizana Brevet d’Etudes du Premier Cycle na BEPC. Io no nampiasain’ilay lehilahy 31 taona mba hahafahany mandray anjara amin’ny fifaninana na hidirana ho polisim-pirenena. Vao teo am-panaterana dosie anefa dia tratra ny hosoka nampiasaina satria tsy misy diplomam-panjakana izay miloko manga izany ny fitomboka eo aminy. Notazomina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana ilay lehilahy. Miitatra any amin’ny mpanao hosoka izay nanome azy izany ny fanadihadiana, raha araka ny fanazavan’ny polisy izay nanambara fa hentitra ny fisavana ireo antontan-taratasy ho an’ireo olona hifaninana ho mpianatra ho polisy mba hisorohana ny hosoka tahaka izao. Nanentana koa izy ireo mba tsy hiditra amin’ny fampiasana hosoka, indrindra ny amin’ny lafiny fitsaboana satria mampidi-doza ireo mpifaninana rehefa raikitra ny fifaninanana na ny fampiofanana izay mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy.
D.R