Raha ny lalana mifehy ny filantsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ny 27 may ho avy izao, dia omaly talata 26 febroary no nisokatra ny fahafahan’ireo mametraka ny filantsahan-kofidiany eo anivon’ny sampan’ny CENI isaky ny distrika hirotsahan’izy ireo avy, izay tsy hifarana izany raha tsy ny 12 marsa ho avy izao. Raha ny teto Toamasina dia voalohany nametraka ny filatsahan-kofidiany tamin’izany Atoa Mahavimbina Alain avy amin’ny fikambanana politika GAR na Gasikara Antsika Rehetra. « Ho fandraisana andraikitra amin’ny tena maha-solombavambahoaka no antony filatsahan-kofidiako izao, satria nahatsiaro ho voafitaka ny vahoaka teo aloha tamin’ny zava-nisy nanaratsy endrika ny solombavambahoaka », hoy Atoa Mahavimbina Alain taorian’ny fametrahana ny firotsahany omaly maraina tamin’ny 11ora sy sasany teto Toamasina I. Atoa Mahavimbina Alain dia efa nikasa ny ho isan’ny kandida ho filoham-pirenena, saingy nahintsan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana noho ny antony maro tamin’izany. Ankilan’izany dia efa maro ireo te-ho kandida solombavambahoaka eto Toamasina fa samy mbola mandinika sy miandry fotoana avokoa amin’ny firotsahany ofisialy, ka isan ‘izany Atoa Botozaza Pierrot izay hatolotry ny ZAMI na Zanaka Ambanivolo Mivoatra, Me Tody Arnaud avy amin’ny fikambanana MIRAMA na MIaro ny RAriny sy ny MArina, Rtoa Ndahimananjara Johanita izay depiote teo aloha, ary Dr Benessy Harison Sébastien izay hatolotry ny fikambanana FIMAMI na FIkambanana MAlagasy MIvoatra; mbola samy miketrika mafy izay ho kandidany kosa ireo antoko matanjaka eto Toamasina ahitana ny TIM sy ny Mapar-Tgv amin’izay ho kandidany. Ankoatra izany nilaza ny teo anivon’ny vaomierana misahana ny fandraisana ny filantsahan-kofidiana depiote, OVEC, Toamasina, fa manomboka amin’ny 09ora hatramin’ny 05ora hariva isan’andro na ny faran’ny herinandro dia misokatra hatrany izy ireo araka ny voalazan’ny lalana.
Malala Didier