Efa nanambara ombieny ombieny ny pastera Benjamina, fa “tsy nofidina hitantana firenena izy fa ny hitantana ny olona ho any an-danitra”. Izany hoe tsy mieritreritra velively ny hirotsaka hofidina amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay kasaina hatao amin’ity taona ity ny tenany. Na izany na tsy izany aza anefa, nilaza ity mpitarika ny fiangonana Fmfoi ity fa hoe “efa nomena ahy ny fahefana, tahaka ny nanomezan’ilay zanak’Andriamanitra ny fahefana tamin’ireo mpianany fahizay. Aty amiko ny lakilen’izay te hitondra ny firenena”. Fanambarana izay nataony, omaly tamin’ireo mpanao gazety, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ity fiangonana ity tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ka nahatongavan’ireo mpanaraka azy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ireo avy any dilambato. Fomba iray ihany koa, namerenany indray ny teniny tamin’ny 18 taona lasa, mahakasika ny faminaniana mpitondra fivavahana iray, izay nanambara fa hapetraka hitondra ny firenena ity farany. Tamin’izay fotoana izay no efa nilazany, fa tsy faminaniana avy amin’Andriamanitra izany ary tsy ho tanteraka velively, satria efa notanany. “Tsy ho tanteraka mihitsy io na rahoviana na rahoviana, raha tsy hoe izaho no mamaha azy amin’ny lakile efa nomena ahy” hoy hatrany ity mpitondra fivavahana ity. “Ho hitan’ny rehetra tsy ho ela ihany koa izay sandoka amin’ireo milaza ny tenany ho mpaminany sy izay tena olon’Andriamanitra marina” hoy hatrany izy. Marihana fa, efa mielim-patrana eran’ny Nosy ny fiangonana naorin’ny pastera Benjamina, ary tsy ny Malagasy irery ihany no manaraka azy amin’izany fa efa maro ihany koa ireo teratany vahiny, liana tanteraka amin’ny fitoriana ataony, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andanin’izay, dia manana onjam-peo sy fahitalavitra manaraka ny hiaka farany ara-pitaovana sy azy manokana ny fiangonana izay efa mijoro ara-dalàna amina faritra maro eto amintsika. Ary mbola manana vina ny hanangana hafa izy ireo.
m.L