- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifidianana: Homena mpiambina 15 lahy avy ny kandidà roa

Fifidianana: Homena mpiambina 15 lahy avy ny kandidà roa

Tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny OMC/NAT, tamin’ny 02 desambra lasa teo , izay notarihan’i Praiminisitra Omer Beriziky  fa hisy fepetra manokana horaisina mba ho fiarovana ireo kandidà roa ho filoham-pirenena, ka ny EMMO/NAT no iandraikitra sy miantoka an’izany. Nanapakevitra noho izany ny EMMO/NAT,fa hamoaka sy hiantoka mpitandro filaminana 30 isan’andro, izay mizara roa, ka 15 isa avy isak’ireo kandidà ho filoham-pirenena anankiroa, avy amin’ny Zandary sy ny Tafika ary ny Pôlisy. Manao fanamiana ara-dalàna ary manaraka ireo kandidà roa ho filoham-pirenena amin’ny toerana rehetra anaovany fampielezankevitra ireo mpitandro filaminana ireo. Ilaina tokoa ny fiarovana ny ain’ireo kandidà anankiroa ho filoham-pirenena, mialoha sy mandritra ny fifidianana, mba hahatanteraka hatramin’ny farany an’izany fifidianana izany, izay làlana hivoahana amin’ny krizy politika misy eto amin’ny firenena. Izao fepetra manokana raisin’ny EMMO/NAT izao dia tafiditra indrindra sy tohin’ny fiantohana nataon’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny mpitandro filaminana tamin’ny 17 aprily 2013, dia ny fandraisana ny fepetra rehetra  mba hahatontosa hatraminny farany ny fanatanterahana ny fifidianana ary ny tsy fiandaniana ara-pôlitika.

A.R.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser