Tsy mihodina boribory toy ny baolina ny tontolon’ny kitra gasy noho ny fisian’ny fandikan-dalàna. Nisy ny fandikan-dalàna niseho tamin’ny fifidianana filohan’ny ligim-paritra. Tany amin’ny faritra roa samihafa no nisy nahatsikaritra izany ary nametraka fitoriana eo anivon’ny komisiona manokana momba ny tsy fahatomombanan’ny fididianana. Tao Betsiboka ny iray ary Bongolava ny faharoa. Ho an’ny voalohany dia misy kandida sady mpikambana amin’ny delegem-pifidianana no anaty komity mpanantanteraka ny fifidianana. Ary dia lany tokoa io farany nefa ao anaty fandikan-dalàna tanteraka ny filatsahan-kofidiany. Vao nivoaka ny lisitra vonjimaika navoakan’ny federasionan’ny kitra dia efa nipetraka ny fitoriana io kandida io. Ho an’ny ligin’i Betsiboka indray dia misy sady delegem-pifidianana no koa mbola ao anaty komity mpanatanteraka ny fifidianana, raha araka ny fitoriana efa nipetraka eny amin’ny tompon’andraikitra. Momba ity indray mitoraka ity indray dia ny lalàna mifehy ny federasiona no anenjehan’ny mpitory azy eny amin’ny komisiona manokana. Amin’ny ankapobeny dia manipika io lalàna io fa ny mpikambana eo anivon’ny komision’ny fifidianana dia tsy tokony hilatsaka ho kandidà sy manana andraikitra eo anivon’ny federasiona, raha araka ny taratasy fitoriana hatrany. Ny tena olana amin’ity kiantranoantrano ity, satria voalaza fa misy mpianaka sy mpihavana koa ao anatin’ireo sehatra voalaza, dia ny mety hahavoasazy ny firenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany indray dia nisy koa ny fitoriana nipetraka ary saika mitovitovy avokoa ny antony, saingy izany indray dia efa hatrany amin’ny fifidiana seksiona. Manomboka mampiara-peo ankehitriny ireo nahita tsy fahatomombanana tamin’ny fifidiana eo anivon’ireo faritra telo voakasika ary miandrandra ny komisiona manokana ny mba handray andraikitra sy hijery tsara ny fanapahan-kevitra horaisiny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna.
D.R