- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFifidianana : Misy kandidà iray indray nisy nitory

Fifidianana : Misy kandidà iray indray nisy nitory

Fivadiham-pitokisana no antony ary olona izay mpiara-mitantana orinasa taminy ihany no nitory. Niara-nanangana orinasa ny olona telo izay kandidà amin’izao fotoana ny iray. Ny iray tamin’izy ireo no namatsy ny vola ary tapaka fa haverina ny volany rehefa any aoriana ka mihodina tsara ny orinasa. Nandeha ny fotoana ary tsy tanteraka velively izany ary tsy voaverina hatramin’ny farany ny volan’olona. Teo, raha arak’ilay fitoriana, rehefa mba natao am-pahendrena ny fitakiana ny vola, dia valin-teny an’avona no azo. Tsy vitan’izany aza fa mbola norahonana tamin’ny basy koa ny mpitaky ny vola sady nampitahorina fa na hitory aiza na aiza dia tsy hahavoa azy noho izy akaiky ny fitondràna tamin’izany fotoana. Ankehitriny dia eny anivon’ny fampanoavana misahana ny ady amin’ny kolikoly no nametrahan’ilay olona, izay nahatsiaro ho voasoloky, ny fitoriana. Efa eny am-pelan-tanan’ny rafi-pitsarana arak’izany ny raharaha. Ny tsy azo ihodivirana dia hafakely tanteraka ity fifidiana solombavam-bahoaka indray mitoraka ity. Feno olona manana dosie maloto ao anatin’ireo lisitry ny kandidà. Saika isan-kerinandro dia misy hatrany ny vaovao alefan’ny haino aman-jery izay mahakasika fitoriana kandidà ho depiote. Mazava fa betsaka ny te-hialokaloka ao amin’ny lapan’ny Antenimiera etsy Tsimbazaza mba hialàna amin’izay mety ho fanenjehana ara-pitsaràna rehetra. Ny maha-diso azy ireo anefa dia ao anaty fotoam-pivoriana ihany no tsy azo anenjehana azy fa tsy sanatria mandritry ny taona akory. Na izany aza, ny zava-misy ankehitriny dia efa manome endrika sahady izay mety ho firafitry ny antenimieram-pirenena atsy ho atsy. Asa, mety tsy ho malety intsony angamba no hokirakiraina ao atsy ho atsy fa ho basy mihitsy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici