Tamin’ny 6 ora sy sasany no nanomboka ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato hoan’i Toamasina I, raha tokony tamin’ny 6 ora izany, vokatry ny oram-be teto Toamasina omaly tontontolo ny andro. Tonga nandatsa-bato voalohany tamin’izany ny ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra, Rakotonirina Nantenaina Herilala, tamin’ny 7 ora sy sasany. 20 ny mpifidy teto Toamasina I ka ny 15 tamin’izy ireo no tonga nifidy. Tao amin’ny biraon’ny CENI no natao ny birao fandatsaham-bato, ka tamin’ny fanisana izany tamin’ny 5 ora omaly dia nahazo vato 10 ny IRD raha nahazo vato 5 kosa ny MMM ary vato 00 no azon’ny tsy miankina “mba ho iray isika rehetra”. Ho an’ny Toamasina II kosa izay tao amin’ny biraon’ny kaominina Toamasina suburbaine no nanaovana ny birao fandatsaham-bato. 132 ny mpifidy tamin’izany, ka mbola tsy voaray ny isam-bato azon’ireo kandida isany tamin’izany. Ny tao Vavatenina kosa araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia 87 no voasoratra anarana ka 84 no tonga nifidy. Vato 47 no azony IRD sy vato 37 azony MMM ary vato 00 azon’ny tsy miankina “mba ho iray isika rehetra”. Ny tao Maroantsetra kosa dia 156 ny mpifidy voasoratra anarana, ka 150 no tonga nifidy tamin’ny fifidianana senatera. 90 ny vato azon’ny MMM raha 59 no azon’ny IRD ary nahazo vato 1 ny tsy miankina “mba ho iray isika rehetra”. Ny tao Sainte Marie kosa dia mpifidy 10 ny tany an-toerana ka vato 9 azon’ny MMM raha nahazo vato 1 iray ny IRD ary nitondra vato 00 ny tsy miankina. Ny tao Soanierana Ivongo dia mpifidy 70, tonga nifidy 68, ka ny vato azon’ny IRD 37 raha 30 ny vato azon’ny MMM ary 00 ny azon’ny tsy miankina. Nisy vato maty iray koa tao Soanierana Ivongo. Ankoatra izay dia saika niandry ny ora farany avokoa vao nanisa vato ny birao fandatsaham-bato rehetra afa-tsy ny tao Sainte Marie, noho ireo mpifidy vaventy tara nanefa ny adidiny tamin’ity fifidianana senatorialy ity.
Malala Didier