Efa nisokatra ny alakamisy 18 novambra teo ary haharitra 20 ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana senatera ny 11 desambra ho avy izao. Raha ho an’ny faritan’i Toamasina dia miisa 1.854 eo ny mpifidy vaventy voasoratra anarana izay saika mpanontsain’ny kaominina sy ny ben’ny Tanana avokoa izy ireo, ka mitsinjara toy izao izany isaky ny faritra telo misy. Faritra Alaotra-Mangoro dia miisa 628 izany mpifidy vaventy voasoratra anarana izany, raha miisa 559 ny ao Analanjirofo sy miisa 667 ny eto anivon’ny faritra Atsinanana. Tsy misy rototra amin’ny fametrahana afisy eny amin’ireo takelaka voatokana amin’izany ireo kandida ka isan’izany ny IRD sy ny MMM, afa-tsy ny teo anivon’ny “Mba Ho Iray Isika Rehetra”. Na izany efa natomboky ny IRD tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Splendide” Ambalamanasy ny fampielezan-keviny ny alakamisy teo, tamin’ny fiantsoany ny depiote sy ireo ben’ny Tanana IRD ao Toamasina II sy Toamasina I, ka nilazany fa anjaran’ireo ben’ny Tanana ireto no manentana ireo mpanolon-tsaina namany mba hifidy ny kandida IRD amin’izao fifidianana senatera izao. Ankoatra izany, na efa re fa nilaza ny hanohana ny kandidan’ny MMM ny MTS amin’ny fifidianana, dia nahitana mpanolon-tsaina MTS telo mianadahy tonga tamin’izao fiantsoan’ny IRD tao amin’ny Splendide izao.
Malala Didier