- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifidianana solombavambahoaka : Miisa efatra mianadahy mianaka ireo  kandidà ao Maevatanana

Fifidianana solombavambahoaka : Miisa efatra mianadahy mianaka ireo  kandidà ao Maevatanana

Ny faha 08 Aprily 2024 no fanaterana farany ny an-tonta taratasy teny amin’ny « OVEC », hirotsahana hofidiana solombavam-bahoaka eto amin’ny taniny Repoblikan’i Madagasikara. Raha ny ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no asian-teny dia miisa efatra mianadahy mianaka izy ireo no handray anjara mivantana amin’izany sy nanatitra dossier teny amin’ny OVEC, ka Rtoa Rasoarimalala Georgette dite Zory kely no nialoha lalana nandrotsaka ny an-tonta taratasy, izay kandida tsy miankina, Ato Raveloson Germain kosa no nanarak’azy, mbola kandida mahaleo tena hatrany. Randriamiarisoa Jean de la croix dit Debakely no nanatitra fahatelo, izay avy amin’ny kandida mahaleo-tena hatrany, ary Ramatoa Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle kosa no namarana fanaterana dossier teny amin’ny OVEC. Izy ireo izany no fantatra fa hisolotena hoan’ny vahoaka ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka ahitana vehivavy roa, efa samy solombavam-bahoaka tamin’ny fotoan’androny, raha ireo lehilahy roa kosa no vao samby hanao izany

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici