- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFifidianana sy faran’ny taona : Tsy handefitra amin’ny mpanakorontana ny mpitandro filaminana

Fifidianana sy faran’ny taona : Tsy handefitra amin’ny mpanakorontana ny mpitandro filaminana

Nihaona tamin’ny mpampahalala vaovao omaly ny tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny mpitandro filaminana eto an-drenivohitra mba hampahafantatra amin’ny daholobe ny fepetra rehetra horaisin’izy ireo mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fifidianana sy ny fetin’ny faran’ny taona eto amintsika. Nanambara ary ireo tompon’andraikitra fa “tsy handefitra mihitsy izahay amin’ireo olona izay mikasa hanakorontana. Na mialoha, na mandritra, na aorian’ny fifidianana. Eo ihany koa ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona”.

Tsy ekena araka izany ny olona mikononkonona zavatra tsy mazava, na koa ny andian’olona mikasa hanao famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana. Hampihatra ny lalàna ny mpitandro filaminana ary tsy hisalasala hampiasa ny hery sy ny fitaovana eo am-pelatànan’izy ireo.  Mba hanatanterahana izany vina izany dia hampitomboana ireo mpitandro filaminana hiasa, indrindra fa amin’ny toerana maro olona, sy ireo biraom-pifidianana. Hiezaka ihany koa ny mpitandro filaminana handrindra ny fifamoivoizana mba hialana amin’ny fitohanana lavareny.

A.R.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser