- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversFifindra-monina : Ahiana ho ravan’ny asan-dahalo ny toby ao...

Fifindra-monina : Ahiana ho ravan’ny asan-dahalo ny toby ao Maroanakomby

Politikan’ny fifindra-monina. Io  no anisan’ny  paikady  lehibe napetraky ny fanjakana  sy ny  faritra Amoron’i  Mania ho fanomezana  asa ho an’ny tanora, niarahana  niasa tamin’ny tetikasa “Matoy” vatsin’ny fanjakana soisa.

tafapetraka araka izany  tamin’ny taona 2014, ny tobin’i Maroanakomby, ao amin’ny kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana, amin’ny ilany andrefan’ny  faritra, izay manana velarantany midadasika aman’arivo  hekitera, ka nandraisana ireo mponina avy amin’ny ilany atsinanana ,dia ny distrikan’Ambositra sy Fandriana, izay sady efa tery no be mponina . Izany no  natao mba hiadiana amin’ny fahantrana sy fanomezana asa  maharitra ho an’ny  tanora tantsaha liam-pivoarana.

Tamin’ny taona 2014, ka  hatramin’izao dia efa mahatratra 700 mahery no tafafindra amin’io toby Maroakanomby io ka nizarana tany 1200 hekitara. Mamokatra be ny tany, ka an-jatony ny vokatra azo isan-taona, toy ny vary, katsaka, mangahazo sy tsaramaso. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny fiompiana omby sy osy. Vokatry ny ezaky ny mponina, dia tafatsangana  ihany koa ny sekoly fanabeazana fototra, izay ny mponina ao ihany no lasa mpampianatra. Napetraka ihany koa ny tobin’ny miaramila niandreketan’ny faritra  hatramin’ny taona  maromaro, nefa noho ny fahasahirana ara-bola, dia najanona ny tobin’ny miaramila nanomboka tamin’ny taona 2017.

Tamin’ny taona 2017, dia notafihan’ny dahalo io toerana io. Vokatra an-jatony sy omby 120 no lasan’ny jiolahy, ka lasa niraviravy tanana ny mponina. Nisy aza olona roa maty ary betsaka ireo fianakaviana nitsoaka.

Ankehitriny ny mponina sisa dia miezaka manarina ao anatin’ny tebibety, ka manao antso amin’ny fanjakana mba hamerina ny miaramila. sao sanatria ka ho rava tanteraka ny ezaka efa vita. Anisan’ny hetahetan’ny mponina ihany koa ny fametrahana tobim-pahasalama sy famatsiana rano fisotro madio.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici