- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFifohana rongony amin’ny tanora : Nodarohan’izy telo lahy ilay mpampianatra…

Fifohana rongony amin’ny tanora : Nodarohan’izy telo lahy ilay mpampianatra…

Mivoatra makany amin’ny ratsy ny mpianatra amin’izao raha ny zava-misy tao Mahanoro sy Vatomandry. Mirongatra mantsy izao ny fifohana rongony any an-toerana amin’izao, ka mpianatra iray ato amin’ny CEG Mahanoro no nitrangan’ny raharaha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana. Raikitra ny sakoroka teo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra telo lahy, izay avy nifoka rongony, araka ny fanazavana. Ady tambambe no ananaovan’izy ireo ity mpampianatra ity ary naratra mafy ny tenany. Raha ny fanadihadiana savarananonando teny amin’ny biraon’ny polisy misy ny kaomisera Tsima Angélo, dia mpianatra efa maditra efa ela, efa voaroka Ingahy Tojompiainana, 16 taona, ary filohan’ny mpifoka rongony amin’ny mpianatra ao Mahanoro. Voamarina fa tena nandray zava-mahadomelina izy telo lahy talohan’izao fandratrana mpampianatra izao. Raha ny fanazavana dia valifaty tamin’ny fandroahana azy tao an-tsekoly tsy mahazo mianatra intsony no anton’izao daroka nataon’izy ireo ny mpampianatra izao, satria amin’izy io dia ity mpampianatra ity no rangory fototry ny afo nahavoaroaka azy ireo. Nanazava ny kaomisera Tsima Angélo fa raha vao vita ny fanadihadiana dia tsy maintsy alefa eny amin’ny fampanoavana ao Vatomadry ny raharaha hamaritan’ny fitsarana ny heloka vitan’ireto tovolahy mamon-drongony ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici