samedi, avril 26, 2025
AccueilFaits-DiversFifohana rongony : Olona enina voasambotra

Fifohana rongony : Olona enina voasambotra

RONGONY1Olona enina indray izao no fantatra fa nosamborin’ny polisy miady amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina, omaly faha-28 oktobra tamin’ny 12 ora sy sasany. Teny Ambatonakanga, olona efatra no sarona teo am-pifohana rongony. Nahatratrarana fonosana rongony lehibe tany amin’izy ireo. Ny iray no mandeha mividy izany 2 000 ariary ary dia fohana miaraka avy eo.

Somary mangina ilay toerana nahatratrarana azy ireo. Marihina moa fa manodidina ny roa hatramin’ny valo amby folo taona no nifohan’izy ireo rongony, ary voalazany ihany koa fa olona mandalo no hividianany azy eny Isotry.

Ireo roalahy indray dia tratra teny Anosizato tamin’ny 1 ora. Rongony 6kg sy 500g no tratra ary voalazan’ilay tompony fa novidiny 200.000 ariary tany amin’i Julien izay mpivarotra ambongadiny eny Anosizato, ka tsinjarainy amin’ny fonosana kelikely izay hamidiny 1000 ariary ny iray. Efa nandritra ny roa taona no nanaovany an’io asa fivarotana rongony io, ka rehefa nanontaniana izy roa dia nanoro ny toerana nividianany azy, dia tany amin’i Merci izay nahatratrarana rongony 1kg sy 500g tao an-tranony.

Natolotra ny Fitasarana omaly izy ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser