- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFifohana zavamahadomelina mahey vaika : Olona 11, ka vehivavy ny telo,...

Fifohana zavamahadomelina mahey vaika : Olona 11, ka vehivavy ny telo, voasambotry ny polisy

Any am-ponja ireo olona voarohirohy amin’ny fidorohana zavamahadomelina. Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany Analakely ny alatsinainy teo tao amin’ny Hotely lehibe iray eto andrenivohita sy teny 67ha ary Ankazomanga, noho ny fivarotana sy fifohana zavamahadomelina mahery vaika, ny olona 11, ka vehivavy ny telo amin’ireo. Ny alatsinainy teo dia nisy lehilahy  iray mamon’ny zavamahadomelina ka nanala ny akanjony iray manontolo teo anoloan’ilay Hotely lehibe iray eo Analakely. Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny CSP1 Analakely io lehilahy io ka nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Tamin’izany no nanoroany ireo namany maromaro mbola tao amin’ny trano fandraisam-bahiny amin’io hotely nivoahany io. Tonga nijery izany ny mpitandro ny filaminana ka tratra tao ny namany miisa roa miaraka amin’ny fitaovana fifohana « Métanphétamine » maro. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny CSP1 izy ireo hanaovana famotorana. Tamin’ny fakana am-bavany azy ireo no nahafantarana ny olona telo mpivarotra io zavamahadomelina. Rehefa natao ny vela-pandrika dia tratra teny 67 ha izy telo ireo ka vehivavy ny roa. Ireto farany ireto no nanoro ny fangalany ny rongony mahery vaika etsy Ankazomanga. Ny talata no tratra tao an-tranony ny roa lahy ary tamin’ny fisavana azy ireo dia mbola nahatrarana « Cocaïne cristal » 5grama teny amin’izy ireo. Rehefa natao ny famotorana ireto farany dia nanonona ny teratany nizeriana iray izay tena mpamatsy an’io zavamahadomelina ary monina eny Ankazomanga ihany koa. Tratra ny androtr’io ihany koa io teratany vahiny io, ary nahatratrarana « Cocaî ne Met » 5grama ihany koa tany aminy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici