Omaly no tonga teto an-drenivohitra ny vatana mangatsiakan’ny zandary Rakomolala Dera Théogène izay maty voatifitry ny dahalo ny alatsinainy teo tao Antsirasira-Tsaratanàna. Tao amin’ny toby Lieutenant-Colonel Mohajy Andrimahamasolo izay tobin’ny FIGN no natao ny fanomezam-boninahitra farany azy. Ankoatra ny fampiakarana azy ho zandary kilasy faharoa dia nomena koa Chevalier de l’Ordre National ity zandary maty mbola tanora ity. Teo amin’ny faha-25 taonany tokoa mantsy no namoy ny ainy izy ary mbola mpiana-draharaha eo anivon’ny Fign no nalefa nanao asa fampandrian-tany tany Tsaratanàna izay hifanesen’ny asan-dahalo sy ny fakàna an-keriny. Isan’ny notsipihan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena mafy ny tsy tokony hanaovan’ny miaramila fivarotana basy na bala na koa fampanofana ny fitaovam-piadiana satria izy ireo ihany na ny namany no mizaka ny vokany avy eo.
D.R