- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFihaonana : Trakitera nivadika, iray maty, efatra naratra mafy, miaramila ny roa

Fihaonana : Trakitera nivadika, iray maty, efatra naratra mafy, miaramila ny roa

Isan’ny mitera-doza ihany koa irony fitaovana misy môtera tsy natao loatra  hitondràna olona irony,  kanefa dia maro mampiasa any amin’ireny faritra saro-dalana sy tsy afaky ny fiara irony. Tany amin’iny distrikan’i Fihaonana, lalana mankany Maintirano avy eo Tsiroanomandidy iny, dia « tracteur » nasiana « remorque », nitondra olona no tra-doza teny an-dàlana, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Olona iray no voalazan’ny tatitry ny zandary fa namoy ny ainy, raha olona efatra no naratra mafy. Anisan’ireto naratra ireo ny miaramila roa izay miasa any amin’iny faritra iny avy ao amin’ny vondron’ny DAS ary ankizivavy roa, izay zanak’ilay olona maty. Raha ny fampitam-baovao azo, dia vokatry ny olana ara-teknika no niandohan’ny loza. Raha teo am-pihaniana fiakarana teo amin’ny tehezan’i Manambolo ao amin’ny fokontany Antsapanimahazo iny mantsy ity fitaovana misy môtera natao ho an’ny fambolena ity, dia tapaka tampoka ny vy mihazona ilay « remorque » nitondra ireo olona tao aoriana. Nikivalavala niverin-dalana nidina arak’ izany ity « remorque » ity ary nivadika nony avy teo. Antony nahafaty ny olona iray izay voatsindrin’izy io sy namparatra ireo mpandeha hafa. Nentina niverin-dalana haingana moa ireo naratra, novonjena tany amin’iny hôpitaly Bongolava. Ny vatana mangatsiakan’ilay olona namoy ny ainy ihany koa, dia nentina niverina tany Tsiroanomandidy. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany moa ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’i Tsiroanomandidy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici