Ny minisitry ny mponina Rtoa Naharimamy Irma Lucien izay tsy hita nandritra ny 15 andro noho ny fampitokana-monina azony vokatry ny fivoahany tany ivelany, sy ny minisitry no rano , no tonga teto Toamasina nanao ny fizarana ny fanampiana ireo tokantrano narefo tanteraka vokatry ny fepetra noraisin’ny fanjakana tamin’ny fihibohana an-trano. Tokantrano niisa 15.000 ireo nozaraina izany tamin’izao tapany voalohany izao, fa mbola eo am-panangonana ireo olona 100 isaky ny fokontany tena hita fa sahirana noho ny fepetran’ny coronavirus ny minisitera ny mponina amin’izao miara-miasa amin’ireo komitim-pokontany. Raha ny fandaminana dia vary 05 zinga, siramamy 01 zinga, voamaina 02 zinga, koba aina iray sachet, savony, ary sira iray, no ao anatin’ilay fanampiana vatsy tsinjo ataon’ny fanjakana zarainy amin’ny olona ambarany fa marefo noho ny fepetra noraisiny. Teny amin’ny kianja mitafo ny soavita no nanaovana ny famonosana ireo fanomezana, vao nentina zaraina isam-pokontany araka ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahazoana mitangorona sy mampitangorona no antony fanaterana izany isam-pokontany. Ankoatra izay dia mampiaka-peo koa ireo mpamily kamiao mpaka entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, satria tsy ao anatin’ny lisitry ny fanjakana izy ireo nefa misedra olana ihany koa amin’ny fepetra noraisin’ny fanjakana noho ny coronavirus ity, satria tsy misy ny entana entin’izy ireo izao noho tsy fisian’ny fahatongavan’ny sambo mpitondra azy ireny amin’izao. Tapitra androany ny fe-potoana 48ora nomen’izy ireo ny fanjakana amin’ny fijerena azy ireo.
Malala Didier