Mandeha ny feo fa hisy andian’olona hikasa hanantanteraka fanakorontanana eto an-drenivohitra ato ho ato. Manoloana izany indrindra, nampahafantatra ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Emmo/ Far, izay nampiantso mpanao gazety omaly tetsy amin’ny tobin’ny zandary tetsy Ankadilalana, fa tsy hitazam-potsiny amin’izao ary tsy maintsy handray ny andraikiny. “Manoloana ireo hetsika telo karazana hiseho eto an-drenivohitra dia tsy maintsy hijoro hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hisoroka izay mety ho fanakorontanana kasain’olona hatao ny mpitandro filaminana” hoy ny Jly Florens hentitra dia hentitra. Amin’izay lafiny izay indrindra, nambaran’izy ireo fa misy ny hikasa hanakorontana ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona karakarain’ny filoham-pirenena, anio eny Iavoloha. Ho hentitra araka izany fanaraha-maso. Torak’izay ihany koa ny amin’ny rahampitso, izay hamoahana ny valim-pifidianana loholona ofisialy. Etsy andanin’izay, mifanindran-dalana amin’io rahampitso io ihany, ilay diabe kasain’ireo olona mitaky ireo Nosy kely manodidina antsika, eny Ambatomena, misy ny masoivoho frantsay. Nilaza ireto mpitarika avy amin’ny Emmo ireto, fa “tsy nahazoana alalàna izany hetsika izany, ary manelingelina ny filaminam-bahoaka” ka tsy mainsy hiditra an-tsehatra izy ireo hanakàna sy hisoroka izay mety ho endrika fanakorontanana hiseho amin’io fotoana io.
m.L