- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFihibohana an-trano noho ny Coronavirus : Tokantrano 15.000 hafa indray hahazo “Vatsy...

Fihibohana an-trano noho ny Coronavirus : Tokantrano 15.000 hafa indray hahazo “Vatsy Tsinjo” eto Toamasina renivohitra

Araka ilay fepetra noraisin’ny fanjakana fa omena fanampiana ireo sahirana tsy afa-miasa sy mitady vola noho ity fapetra noraisina amin’ny tsy maintsy mihiboka ity.  Noforonina vokatra izany ny hetsika ara-tsosialy “Vatsy Tsinjo” hanampiana ireo sahirana isam-pokontany sy isam-pikambanana samy hafa. Raha ny teto Toamasina dia efa nisy tokantrano 15.000 izany hoe 100 isam-pokontany no nomena izany teo aloha, izay naterina isan-tokantrano mihintsy tamin’izay ankoatra ireo fanampiana hafa nomena ireo fikambanana samy hafa. Amin’izao fitohizan’ny fihiboana izao koa dia notohizana ilay fanampiana amin’ny alalan’ny “Vatsy Tsinjo” eto Toamasina, ka tokantrano 100 isam-pokontany hafa indray miisa 15.000 no omena izany manomboka izao; efa nanomboka ny talata 14 avrily teo ny fisahanana izany eny amin’ny kianja mitafo ny soavita izay ahitana vary 05 zinga, siramamy iray zinga, sira fonosana iray, koba aina iray “sachet”, menaka iray litatra, ary savony roa, ao anatin’ny gony  misy ireo fanampiana ao anatin’ny “Vatsy Tsinjo” iray. Efa nosantarina tao Antetezambaro ny fanoorana ny Vatsy Tsinjo ho an’i Toamasina II ny omaly alarobia 15 avrily. Ankoatra izay dia mitohy ny fandrarahana fanafody ataon’ny kaominina etsy sy eroa, amin’ny alalan’ny BMH sy ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala. Taorian’ireo sambo mpitondra entana mianavaratry Toamasina sy Madagasikara ao amin‘ny seranan-tsambo, dia ny tahirim-bolam-panjakana eto Toamasina izay handraisan’ny beantitra ny fisotron-drononony manomboka ny zoma ho avy izao no nanaovana izany nanomboka ny talata tolakandro teo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici