Nanao ny fivoriam-beny nentina nanavaozana ny rafi-pitondrany sy ny birao mitantana ny fikambanana, ireo mpikamban’ny ADOPT na “Association Des Originaires de la Province de Tamatave” ; izay ivondronan’ireo zanaky ny faritany avy amin’ny faritra telo : Alaotra-Mangoro – Atsinanana – Analanjirofo, ary distrika 18. Taorian’ny nahafaty tampoka ny filohan’ity fikambanana ity, Itpkl Ramerison Auguste, ny taona 2016 dia mbola fiaraha-mitantana no natao teo anivon’ny fikambanana, ka Atoa Rakotojoelimaria Solofo no nitondra izany. Talohan’izao fanavaozana ny birao mitantana ny fikambanan’izy ireo izao, dia nisy aloha ny fikitihana ny rafi-pitantanana teo anivon’ny fikambanana; taorian’izay vao niroso tamin’ny fifidianana izay ho mambran’ny birao vaovao ireo mpikambana. Araka ny rafitra mifehy ity fikambanana ity, dia iray isaky ny distrika ny mpifidy ny mambran’ny birao, ifandimbiasan’ny faritra kosa ny fanolorana ny ho filoha ka raha avy amin’ny faritra Alaotra-Mangoro ny mpitantanana teo aloha, dia anjaran’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo indray izay no manan-jo manolotra izay hofidina filoha. Koa nandritra ny fifidianana nataon’ireo mpikambana ny sabotsy teo tao amin’ny efitrano fivorian’ny faritra Atsinanana, dia lany ho filoha vaovao ny fikambanana ADOPT Atoa Kaly Narcisse ; izay kandidà tokana avy amin’ny faritra Analanjirofo. Ireo filoha lefitra roa avy amin’ny faritra Alaotra-Mangoro Atoa Rakotonarivo Joseph raha Atoa Solofo Rémi ny an’ny faritra Atsinanana. Ankoatra izay, vao nanandray ny toerana amin’ny maha-filoha azy Atoa Kalo Narcisse, dia efa ny zava-misy eo anivon’ny orinasa SMMC ny kabariny voalohany, izay mampalahelo azy ireo fa toa lasa very olo-manga mihitsy ny faritanin’i Toamasina. Mbola niverimberina tamin’ny lahateniny ihany koa ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ; izay mbola takian’izy ireo hatrany ny hanaovana izany eny amin’ny “baie d’Ivondro” fa tsy amin’izao ataon’ny Spat sy ny fanjakana ary ny Jica izao
Malala Didier