- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanana « Analanjorofo Mitambatra » : Nampihofahana amin’ny fanamboarana savony

Fikambanana « Analanjorofo Mitambatra » : Nampihofahana amin’ny fanamboarana savony

Nampihofana mikasika ny fanamboarana savony, vaingany sy ranony, ho an’ireo olona liana tamin’izany ny fikambanana Viavy antsoina hoe « Alananjirofo Mitambatra na AMI ». Ny sabotsy teo no nanaovana izany tao amin’ny CFP (Centre de Formation Professionnelle) Tanamakoa nandritra ny tontolo ny andro, ary nozaraina mari-pandraisana anjara ireo olona an-jatony nanao ny fihofanana. Nanomboka tamin’ny 08ora maraina ny fanofanana nataon’ireo mpampihofana avy eto Toamasina ihany, ka tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 04ora tolakandro. Tsy sambany ny fanofanana tahaka izao nataon’ny fikambanana Viavy AMI, fa mazana isan-taona misy hatrany izany satria misy ny fanaraha-maso mandritra ny enim-bolana aoriana ny fanofanana ataon’izy ireo. Tena nahaliana ny mpandray anjara ny fanofanana natao, ka maro ireo mpandray anjara no nametraka fanontaniana nandritra ny fanofanana natao azy ireo nandritra izany. Tsy mijanona hatreo ny hetsika atao ho an’ny viavy AMI, fa hitohy hatrany ho an’ny vahoaka rehetra isan-taona. Aoriana izao fanofanana izao dia hisy ny fanampiana ireo mpihofana amin’ny fihariana ataony momba ity fanamboarana savony nihofanany ity ; ka hisy ny fanampiana amin’ny fikarohana tsena ho azy ireny mandritra izany. Nomarihan’ny filohan’ny viavy AMI fa, « hisy hatrany fanampiana ataonay ho an’izay liana amin’izany, ka hihetsika amin’izany ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny fikambanana. Miankina amin’ny filan’ny mpandray anjara ny fanonana fanao isan-taona ». Nomarihan’izy ireo ihany koa fa fikambanana tsy manao politika izy ireo, ka miala tsiny amin’izay mpanao politika miantso azy ireo hiditra amin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici