Nampahalala tao amin’ny trano fisakafohanana “la famille” Salazamay ny herinandro nivalona iny, ny momba ny fandaharan’asa entin’ny fikambanana “expat-france” Madagasikara eto amintsika, mikasika ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra indrindra lafin’ny ara-nofo. Haharitra telo taona ny fandaharan’asa ka ny fanabeazana ny olom-pirenena hitsinjo sy hanaja ary hanaraka ny lalana ny momba ny zon’ny ankizy no tanjona; satria aorian’ny telo taona ny fandaharan’asa dia manantena ny fikambanana “expat-france” Madagasikara fa hisy olom-pirenena tena mitsinjo izay zon’ny ankizy izay, sy lasa filamatra amin’ny fiarovana azy ireny, ary mahatsapa koa ny ankizy amin’ny fiarovana ny tenany satria hainy ny zony. Isan’ny hanaovan’ny fikambanana ny asany ny eto amin’ny faritra atsinanana, ka izany no nahatonga azy ireo nampahalala ny fisiany sy ny asany tao amin’ny trano fisakafohanana “la famille” ity. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ny fanarahantsika Malagasy ny miralenta ihany koa ity fandaharan’asa ity, izay no mahatonga azy ireo miara-miasa akaiky amin’ny fikambanana Fafed eto Toamasina.
Malala Didier