Efa roapolo taona izao no nanao izao asa soa hoan’ny zanaky ny sahirana avy amin’ny fokontany maromaro eto Toamasina, ny fikambanana « Fivoy » tarihan’ny Dr Ndahimananjara Johanita, sy ny fikambanana « LCDM » ; izay hivondronan’ireo ray aman-drenin’ireo zaza voan’ny « drépanocytose ». Miisa 300 ireto zaza sy ankizy ary tanora notolorana fitaovam-pianarana ireto ; izay natao tao an-tranon’ny Dr Ndahimananjara Johanita ao Morafeno izany, ny zoma misandratr’andro teo. « Misy ny sivana ataonay eny anivon’ny fokontany maromaro eto Toamasina, hamantarana ireo zanaky ny sahirana hotolorana ny fanomezana. Ny tanjona dia ny mba hidiran’ireo zanaky ny mahantra an-tsekoly izay politikam-panjakana nefa tsy mety tanteraka, noho fidangan’ny saram-pampidirana mpianatra amin’ny sekolim-panjakana ; izay tokony ho maimaimpoana », hoy ny Dr Ndahimananjara Johanita. Tsy vitan’ny fanomezana fitaovam-pianarana ihany no nataon’ny fikambanana « Fivoy » sy ny fikambanana « LCDM », fa nisy koa fifanarahana teo amin’ny fikambanana, sy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana (DREN), ary talen’ny sampam-pianarana eto Toamasina I (CISCO I), amin’ny fampidirana maimaimpoana na amin’ny ampahany ireo zanaky ny sahirana ireo, ka vokatry ny fifanarahana, dia misy 22 eo ireo zaza sy ankizy ary ny tanora neken’ny Dren Atsinanana sy ny Cisco Toamasina I hiditra an-tsekoly maimaimpoana en-tsekoly amin’ity taom-pianarana 2018 – 2019 hanomboka ny 19 novambra ity.
Malala Didier