Raha ny fanambarana nataon’ireo komitin’ny raiamandreny avy ao Amparafaravola – Andilamena – ary Ambatondrazaka, mivondrona eo anivon’ny FIZALAOTRA Toamasina, dia tafatsangana ara-dalàna izy ireo ka handinika ny ho an’ny fikambanana noho izy ireo mandalo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fisian’ny mpitarika ny fikambanana efa an-taonany maro izao. Vokatr’izany dia mihantona avokoa ny hetsika rehetra mifaningotra ao anatin’ny Fizalaotra raha tsy mahazo alalana amin’ity komitin’ny raiamandreny vao natsangana ny 22 jona 2022. Noho izany rehetra izany dia eo am-panomanana ny fivoriamben’ny Fizalaotra Toamasina, ka mandritra izany no handinihana ny sata vaovao mifehy ny fikambanana, satria ilay sata teo aloha fototry ny fikambanana dia tsy hita ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsipika anatin’ny fikambanana. Misy koa ny fandrafetana ny lisitra mpikambana ara-dalàna isaky ny boriborintany entina manomana ny fifidianana izay hatao aorian’ny fivoriamben’ny Fizalaotra. Ankilan’izany dia nanambara ny Fizalaotra fa mbola tsy manana solontena afaka misolo azy ireo ao anatin’ny fikambanana FIZAFA, Fikambanana Zanak’Atsinanana, sy FIZAMI, Fikambanana Zanaka Analanjirofo Miray, fa miandry ny fivoriamben’ny fikambanana hatao ny 6 aogositra ao amin’ny sekoly Thomas Bevan. Ankilan’izany dia manainga ny zanak’Alaotra rehetra ny komitin’ny raiamanadreny Fizalaotra mba ho tonga maro, satria ny ho avin’ny fikambanana Zana-Tsihanaka no hodinihina mandritra izany rehetra izany.
Malala Didier