- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-Divers“FIZAMAMI” FIkambanana ZAnaky MAhajanga MItambatra Toamasina : Hivelatra amin’ny sehatra ara-toekarena manomboka...

“FIZAMAMI” FIkambanana ZAnaky MAhajanga MItambatra Toamasina : Hivelatra amin’ny sehatra ara-toekarena manomboka izao

Nifamotoana teny amin’ny lalam-pirenena faha-2 tao amin’ny trano filanonana “du Lac” Tanandava ireo mpikambana eo anivon’ny FIZAMAMI, na FIkambanana ZAnaky MAhajanga MItambatra, eto Toamasina izay nanaovan’izy ireo ny fihaonam-beny, tao anatin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2018. Niompana tamin’ny resaka ara-tsosialin’ny mpikambana ny asa rehetra natao, nandritra izay fotoam-pisian’ny fikambanana izay, satria efa mahatratra 600 ny mpikambana ankehitriny, nefa ao anatin’izay dia misy hatrany ny ratsy sy ny tsara mahazo ny mpiray fiaviana nifanampian’izy ireo. Tsy mpiasa na mpanara-bady ihany mantsy ireto zanaky Mahajanga monina sy mipetraka eto Toamasina, fa indrindra ihany koa ireo mpianatra mandranto fianarana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, izay tena iompanan’ny fanampian’ireo mpikambana noho izy ireo lavitry ny fianakaviany. Hiova filamatra kosa anefa ny FIZAMAMI manomboka amin’ity taona ity na tsy hadino hatrany ny asa  fiahiana ny ara-tsosialy fanaony, ka hanompana ny asa hatao koa amin’ny sehatry ny toekarena amin’ny fitadiavana famatsiam-bola entin’izy ireo hanampiana ireo tantsaha amin’ireo faritra efatra ao Mahajanga mandrafitra ny fikambanana: Boeny, Sofia, Melaky, ary Betsiboka, amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono mampalaza azy ireo, araka ny nambaran’ny filohany Atoa Amable André Benjamin. Ny tanjona ho azy ireo mantsy dia ny hoe “fahombiazana ao anatin’ny fiarahana”, sy ny “fandrosoana ao anatin’ny fifanampiana”.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici