Nampiantso mpanao gazety tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Oasis ao Fenerivo atsinanana nhy fikambanana “JIRO” any an-toerana, izay fikambanana nitsangana ny taona 2020 ary ivondronan’ireo avara-pianarana monina sy miasa ao amin’ny faritra Analanjirofo, izay manana ny filohany Atoa Toto Wenceslas Ludovic.
Nandritra ity tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ity no nilazan’izy ireo ny tokony hanamboarana faran’izao haingana ny lalam-pirenena faha-05, fa tena simba sy potika tanteraka izany ankehitriny noho ny zava-misy, izay miainga ao Toamasina renivohitra izany. nohamafisin’ny filoha lefitry ny fikambanana “JIRO”, Atoa Fotsy Emicharme Nadège Aymar, izany fahasimban’ny lalam-pirenena faha-05 izany; ka farafaharatsiny dia hatreo Soanierana Ivongo aloha averina ho tara, alohan’ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-05 hatrany Maroantsetra mbola lalam-potaka. Nambarany hatrany fa lalana 50km Toamasina hatrao Mahavelona Foulpointe monja dia ataon’ny fiara madinika sy fitateram-bahoaka adin’ny roa sy sasany raha tsy nisy adin’ny iray akory teo aloha.
Vokatra ireo dia nanao fanamarihana ny fikambanana “JIRO”, fa tena miteraka fandaniana mihoampampana ho an’ireo mpitatitra sy manana fiara mampiasa izany ny zava-misy, na eo amin’ny solika na eo amin’ireo kijakoja ny fiara noho io fahasimbana be amin’ny lalam-pirenena faha-05 io. Sahirana noho izany ireo mpiatitra olona sy ireo mpitatitra entana ary ireo mpitatitra ny vokatra avy any an-toerana. Miteraka fiakaran’ny vidin’entana izao zava-misy izao. Mijaly ireo marary tsy maintsy alefa aty Toamasina amin’ity lalana simba hitsabo tena. Ny tena ahian’ny fikambanana “JIRO” amin’izao zava-misy izao ny ho fahatapan’ny lalana tanteraka tsy ho ela raha tsy misy ny fanamboarana izany, tahaka ny efa fisian’ny lavaka be amin’ny lalana miditra an’i Soanierana Ivongo.
Ankoatra izany dia miantso ny fitondram-panjakana ny fikambanana “JIRO” hijery akaiky ity lalana ity, satria faritra isan’ny mampidi-bola amin’ny fanjakana ny faritra Analanjirofo amin’ireo vokatra misy any aminy, dia ny vokatra Jirofo sy ny vokatra Lavanila izay saika avy any avokoa ireo vokatra ahondrana any ivelany.
Malala Didier