Tontosa ny 4 novambra lasa teo, ny fanentanana ara-pahasalamana mahakasika ny fahadiovana sy ny rano fisotro madio, notontosain’ireo mpikambana avy ao amin’ny Maitso Tsara izay notarihin’ny filohany Atoa Ralaiarimanana Herizo John, teny amin’iny faritra Ankazobe iny. Niara- nisalahy tamin’ny Diorano Wash, ny Ong Manorintsoa ary ny Association Atome. Hafatra lehibe maromaro no nampitaina tamin’izany, dia ny fanasana tànana amin’ny rano sy savony, ny fampiasana lava-piringa, ny fikajiana ny rano hadio mandrakariva. Fa ambonin’izay, dia miara-miasa akaiky amin’ny Ong Gender Links ihany koa ity fikambanana Maitso tsara ity, ny amin’ny fampiharana ny miralenta. Nisy araka izany ny fampirisihana ireo mponina ny amin’ny tokony hisian’ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy vavy. Na amin’ny fanapahan-kevitra io na amin’ny fandrasaina anjara amin’ny lafiny rehetra. “Mikatsaka ny hampivoatra hatrany ny fiainan’ny mponina sy ny andavanandrony ny fikambanana, indrindra fa ireo eny ambanivohitra. Ary tsy mitsahatra manentana ny amin’ny tokony hikajiana ny tontolo iainana. Izay antoka iray hahafahana misoroka ny fiovaovan’ny toetr’andro” hoy Atoa Herizo Jhon. Amin’izao fotoana izao, dia misy ny tetikasa izay omanin’ny fikambanana, izay angatahin’izy ireo fiaraha-miasa amin’ny malala-tànana. “Tetikasa miompana betsaka amin’ny fambolena sy fiompiana iraisana izy io, izay inoana fa hitondra vokatsoa ho an’ireo tanora tsy an’asa marobe any ambanivohitra” araka ny fanazavana nomen’ny filohany hatrany.
m.L





