Ny fikambanana “Samaritana Tsara Fanahy” izay manome lanja ny Fihavananana, ny Fifankatiavana ary ny Fifanampiana (3FI) dia tsy mitsahatra mizara fanampiana ho an’ny olona sahirana sy ny beantitra. Koa tamin’ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny fahaleovantena teo dia nisy “Diabe harendrina” nokarakarain’io fikambanana io teny Ambohipo sy ny manodidina, toy ny teny Andohanimandroseza sy Ambolokandrina. Nisy noho izany fizarana harendrina ho an’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana. Tsy diso anjara koa ireo beantitra, izay nizarana vary sy nofon-kena mitam-pihavanana. Miisa 200 mahery ireo nahazo izany fanampiana izany. Marihana fa ireo fanampiana ireo dia natrehan-dRandriantsarafara Pascal (Papasy) mivady. Nambaran’ity farany moa, izay Filohan’ity fikambanana ity, fa tsy misy ambadika politika fa fitiavana an-tsitra-po amin’ny fifanampiana samy Malagasy no nanosika azy ireo.
Nangonin’i Dominique R.