- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanana silamo Ahmadiyya: Nizara fanampiana ho an’ireo olona sahirana

Fikambanana silamo Ahmadiyya: Nizara fanampiana ho an’ireo olona sahirana

Ankatoky ny fiafaran’ny « Ramadan », ny fikambanana silamo Ahmadiyya eto Madagasikara dia nanao asa soa teny amin’ny faritra Andavamamba afak’omaly. Nizara vary, “macaroni, spaghetti tamin’ireo olona manodidina izy ireo tamin’izany. Tsy nisy navahana tamin’izany. Saika olona sahirana moa no nahazo ireo fanampiana ireo. Araka ny nambaran’i Abdou Rouhamami, filoha lefitra voalohan’ny fikambanana “silamo Ahmadiyya” dia manao asa soa izy ireo saika manerana ny nosy. Nomarihany ihany koa fa avy any Maorisy ireo fanampiana ireo. Teny Andavamamba, sekolin’io fikambanan’io no nanomezana ny fanampiana.

Nangonin’i Dominique R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici