- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanana “T.S.M.A” : Mitohy ny fanampiana tanora fanaony

Fikambanana “T.S.M.A” : Mitohy ny fanampiana tanora fanaony

Ny filohan’ny fikambanana TSMA nanolotra ireo fitaovana ara-panatanjahan-tena 02.

Tsy nanadino ireo vondrona tanora mampanao fifaninana baolina kitra avy ao amin’ny boriborintany Ankiririhy, izay saika mikarakara fifaninana lalao in-02 isan-taona ho fanampiana ny tanora tia fanatanjahantena, ny fikambanana T.S.M.A, na Tanora Sahy Mandray Andraikitra, izay tarihan-dRtoa Mahazaka Jina Charlotte. Ny sabotsy 31 martsa teo tao amin’ny kianja Analakininina Hopitaly be no nanolorany sy ny ekipany lahy sy vavy fanamiana fitondra milalao baolina kitra miisa 35 avy, sy baolina kitra mifanaraka amin’ny fenitry ny FIFA ihany koa. “Isan’ny tia manao fanatanjahantena aho, ka isan’ny fanatanjahantena tena tiako ny baolina kitra, saingy efa renim-pianakaviana sy voahazon’ny andraikitra dia ny fanampiana anareo no azoko atao, mba hahafahanareo mankafy ity baolina kitra mampiray ny rehetra ity”, hoy Rtoa Mahazaka Jina Charlotte. Nohamafisiny ihany fa “efa fotoana fandraisantsika tanora anjara amin’ny fampandrosoana ny tanana misy antsika sy ny firenena izao, ka asehontsika tanora fa mendrika isika amin’ny fiarahamonina sy ny Malagasy, koa halavirintsika ny fironanana amin’ny zava-mahadomelina izay mazana hitsarana ny tanora”. Ankoatra izay anefa dia nohamafisin’ny filohan’ny fikambanana T.S.M.A fa afaka mametraka fangatahana avokoa ny fikambanana tanora mila fanampiana amin’izy ireo, ka ny fikambanana no mijery ny fomba sy hahafahana manampy azy ireny amin’ny filany sy ny ilainy ao aminy avy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici