- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanana tanora « MMA » Toamasina : Reny voafonja 79, notoloran’izy ireo...

Fikambanana tanora « MMA » Toamasina : Reny voafonja 79, notoloran’izy ireo fanomezana fetin’ny reny

Efa hetsika fanaon’ny fikambanana tanora “Malagasy Mandray Andraikitra”, MMA, Toamasina ny fanomezana fanampiana ireo reny sy vehivavy voafonja eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina, isaky ny fankalazana ny fetin’ny reny tahaka ny alahady teo. Nisy 79 izy ireo no nomena sakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro avy amin’ny MMA; izay ahitana zazakely 4 manaraka ny reniny izay efa nisy zaza kambana niara-nifonja tamin’ny reniny ihany koa teo aloha, saingy afaka noho ny fisalasalan’ny fitsarana ilay vehivavy dia nivoaka ny fonja ny zoma teo izy telo mianaka, sy vehivavy bevohoka iray manodidina ny fito volana, ary tovovavy tsy ampy taona 5 ihany koa noho ny heloka fivadiham-pitokisana manenjika azy ireo amin’ny fitsarana. “Fikambanana miasa amin’ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Malagasy Mandray Andraikitra, koa afaka miara-miasa amin’ny rehetra mila anay izahay ho fifanampiana amin’ny ara-tsosialin’ireo mila anay”, hoy ny filohan’ny fikambanana. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny fitantanana ny fonjaben’i Toamasina mpisolo toerana, fa “ilaina amin’ny fanarenana ny voafonja eto aminay ny famangiana azy ireo tahaka ny ataonareo MMA izao, satria na mifonja aza izy ireo, dia manana ny zony hovangiana sy ankaherezina mba hialany amin’ny rarisaina mety hiteraka olana amin’ny fiverenany eny amin’ny fiarahamonina”. Ho famaliana koa  ny fangatahan’ireto reny sy vehivavy mifonja ao Ambalatavoahangy ireto, dia hiantohan’ny fikambanana Malagasy Mandray Andraikitra tahaka ny efa nataony ny taona lasa, ny fiantohana mandritra ny herintaona ny “canal satellite” ho azy ireo, mba ho fialambolin’ireto vehivavy voafonja. Isan’ny zokiben’ireo reny sy vehivavy voafonja ao Ambalatavoahangy Rtoa Margueritte 70 taona, voaheloka 15 taona noho ny vono olona nambarany fa tsy nataony tany Vohitsoa Vavatenina ny tenany ka ho vita afaka roa volana izany saziny izany. Ankoatra izay miakatra be ny tarehimariky ny voafonja ao Ambalatavoahangy, tao anatin’ny roa volana tato ho aty izay, efa mahatratra 1.236 izany ankehitriny. Vokatry ny fitombon’ny mpanao heloka ateraky ny olana ara-tsosialy sy ara-politika misy ankehitriny no antony raha ny fanazavana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici