- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFikambanana « Tia Miketrika » : Nanofana tanora 125 teto Toamasina

Fikambanana « Tia Miketrika » : Nanofana tanora 125 teto Toamasina

Ny alarobia teo no nosafidianan’ny sampandraharahan’ny asa sy ny fampananana asa, sy ny OIT, ary ny ONEF na “Ofisy Nasionalin’ny Asa sy ny Fanofanana”, nanolorana ireo tanora niofana momba ny teknika ara-barotra izay niofana nandritra ny herinandro, sy ny teknika fitadiavan’asa izay natao tao anatin’ny roa andro. Notolorana mari-pandraisana anjara avokoa ireto tanora ireo, lanonana izay natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Le Calypso”.

Ny ONEF no angady sy vy nahitana izao fanofanana izao tamin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Iraisam-pirenena Momba ny Asa, OIT, sy ny BIT na Birao Iraisam-pirenena Momba ny Asa. Ny fikambanana “Tia Miketrika” kosa no mpampihofana ireto tanora ireto. Tao anatin’izay ihany koa dia nisy ny fiofanana mandritra ny telo andro nataon’ny minisitera ny asa sy ny fampanananasa, sy ny OIT, ary ny ONEF, ka ao anatin’izay no handinihina ny fametrahana ny tahirin-kevitra momba ny resaka asa izay azo jerena ao anatin’ny solosaina. Mbola tetikasa savaranonando ity atao eto Toamasina amin’ny fametrahana ny tahirin-kevitra arakasa ity, fa raha hita fa mahomby izany dia haparitaka amin’ny faritra 23 amin’izay, na ireo faritra ireo aza no mandray anjara amin’ity fanofanana atao eto Toamasina mikasika azy ity. Nomarihan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera ny asa sy ny fampananana asa, Atoa Razafimanantsoa, dia hanamora ny fitadiavan’asa eo amin’ny tanora no hanaovana izao tetikasa izao; tena mbola miparitaka mantsy ny fitadiavan’asa eto amintsika, satria na misy aza izay dia miparitaka ny fahazoana sy ny fijerena izany ho an’ireo mpitady asa izay maro be eto Madagasikara amin’izao.

Miisa eo amin’ny efapolo mahery ireo mpandray anjara, ka miisa 23 faritra raha mahatratra 12 eo ho eo ny avy amin’ny ONEF misahana ny fanofanana. Mambaran’ny tompon’andraikitry ny OIT eto Madagasikara ihany koa, fa mifanaraka amin’ny fepetra navoakan’ny firenena mikambana ny volana may teo izao hetsika izao, satria tena ilaina ny fanafainganana ny fahitana asa ho an’ireo tanora mitady izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici