- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanana « Viavy Miketrika » : Nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana « Fitia »

Fikambanana « Viavy Miketrika » : Nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana « Fitia »

Tonga teto Toamasina mihitsy ny filohan’ny fikambanana « Fitia », ny vadin’ny filoham-pirenena Rtoa Mialy Rajoelina, nanolotra ireo fitaovana entina mamokatra voankazo maina sy ranom-boankazo voajanahary tao amin’ny « chambre des métiers » Toamasina. Ny tetikasa « La Fabrique » eo anivon’ny Ong St Gabriel no nahitana izao fanampian’ny fikambanana « Fitia » izao, saingy afaka mampiasa izany fitaovana izany avokoa ireo fikambanana vehivavy mahavita fiofanana amin’ny fampiasana azy, na ny fikambanana « Viavy Miketrika » aza no nanolorana izany ofisialy ny alatsinainy teo, hoy Rtoa Ratsirahonana Lalaina, tompon’andraikitry ny tetikasa « la fabrique » eto Toamasina.

Azo ahodina ao anatin’ity ivontoerana vaovao ity avokoa ny voankazo rehetra, saingy ny mananasy aloha no hita tamin’ity fitokanana ity.  Afaka manamaina legioma ihany koa ny ivontoerana, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nomarihan’ny minisitry ny varotra sy ny taozavatra Rtoa Rakotomalala Lanto, fa miisa 525 ny isan’ireo asa hita ao anatin’ny « chambre des métiers » eto anivon’ny faritra Atsinanana, ka ny eo amin’ny 25 kosa ny sehatr’asa hita amin’izany. Ankilan’izany dia vokatra amidy eto an-toerana ihany no mbola vokarina ao amin’ity ivontoerana ity, satria ny tanjona dia manjifa ny vita malagasy sy vita eto an-toerana ny vahoaka eto amintsika sy eto Toamasina rehetra.

Ankoatra izany dia nisy koa ny fambolena zanakazo fihinamboa nataon’ny fikambanam-bevivavy « Miketrika », sy ny fikambanana « Fitia » notarihan’ny filohany Rtoa Mialy Rajoelina, ary ny minisiteran’ny varotra sy ny taozavatra, natao tao Mangarano II P/elle 11/47. Zanakazo fihinamboa niisa 100 fototra no nambolena tamin’izany, izay nahitana  zanaka « Papaye » – zanaka Garana – ary zanaka « Corossol ». Ny tanjona tamin’izao dia ireo vokatra nambolena ireo ihany no hahodina ao anatin’ity ivontoerana ao amin’ny « chambre des métiers » ity aorian’ny fahavokarany, ary hitarina amin’ny vokatra hafa izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici