- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFikambanana ZAFMIHASI : Aoka izay ny fanenjehana ny mpitondra voafidim-bahoaka

Fikambanana ZAFMIHASI : Aoka izay ny fanenjehana ny mpitondra voafidim-bahoaka

Manoloana ny zavatra niainan’ny Firenena nandritra izay fitondrana nifandimby tato anatin’ny folo na roapolo taona farany, ny fikambanana « ZAFMIHASI » (Zanaky ny Anarandrain’i Fandriana Mivondrona ho fampijoroana ny tena HASIn’ny firenena) izay eo ambany fitarihan’ny Filohamboninahitra Rasolomampionona Hasimpirenena dia miangavy ny vahoaka malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba hankato sy hanaja izay mpitondra voafidim-bahoaka hitantana ny Firenena. Tsy hisy intsony ny mapnao politika sy izay tia miseho na miteny amin’ny haino aman-jery handrora mitsilany amin’ny fahazarana manompa na manozona ny mpitondra, izay tokony hampiana amin’ny fikatsahana izay hahasoa ny valalabemandry. Koa mba tsy hisian’izany dia irarian’ny fikambanana ny Filoha vao voafidy tamin’ny fifidianana farany teo mba ho fatra-panaja ny lalàna sy hahay mitsinjo ny vahoaka ary ho saropiaro amin’ny fiandrianan’ny Firenena sy ireo soatoavina malagasy. Nisongadina ireo hevi-baventy ireo nandritra ny tafa nataon’ny filohan’ity fikambanana ity, Ndrianirina Justin tamin’ny mpanao gazety omaly teny Manakambahiny. Nataony izao fanambarana izao, hoy izy, mba ho fankatoavana ny teny filamatry ny ZAFMIHASI hoe : « fa ny fihavanana no hasin’ny Firenena ».

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici