Na dia tsy mbola nisy aza ny fanambarana ofisialy nataon’ny Filoham-pirenena am-perinasa amin’izao ny amin’ny hilatsahany hofidina indray ho amin’izany fifidianana ho filohan’ny Repoblika izay dia efa mirarakopana ny fanohanana sy ny fandrisihana azy ho amin’izany hazakazaka masina ho an’ny Tanindrazana izany. Anjaran’ireo ben’ny tanàna mivondrona tao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no nanao fanambarana andro vitsy lasa izay. Nilaza ampahibemaso ny fahavonan’izy ireo hampandany ny loko volomboasary tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Raha ny filazan’ireto farany dia hita taratra ary iarahan’ny rehetra mahita ny fampandrosoana nentin’izany Filoha izany tao amin’ny distrika misy azy ireo. Na ireo fotodrafitrasa maro tany an-toerana na ireo fanampiana tsy tambo isaina, izay nanome vahana ny lafiny fampandrosoana dia tsapa tokoa, hoy izy ireo, fa votazona ny vinan’ny Filoha ny amin’ny tsy hisian’ny distrika hohadinoina. Eo anatrehan’izay dia nilaza izy fa maniry ny hitohizan’izany indray ao anatin’ny dimy taona manaraka. « Ka noho izany, mangataka ny Filoha mba hirotsaka hofidina indray amin’ny 9 novambra ho avy izao. Vonona ny hanohana azy ireto ben’ny tanàna ireto. Manaraka izay, toherin’izy ireo ny fanaratsiana isan-karazany sy ny fanakantsakanana maro samihafa ataon’ny sasany amin’izany firotsahan’ny Filoha izany, raha ny fanambarana hatrany. Anisan’ny nahazo tombon-dahiny tokoa ity distrika ao anatin’ny faritra Analanjirofo ity raha fampandrosoana no resahina. Tsy mahagaga araka izany raha nivondrona ireo ben’ny tanàna ary izao namoaka fanambarana iombonana izao, nampiseho ny fiandaniany amin’ny Fitondrana.
Nangonin’i m.L