Tafiditra anatin’ny fankalazana ny 8 martsa teto Antsirabe ny hetsika nataon’ny fikamban’ny vadin’ny mpitandro filaminana, ahitana ny vadin’ny polisy, miaramila sy ny zandary. Taoarin’ny fanamarihana ofisialy natao teo amin’ny tsangambato ny 13 Martsa teo no namangy ny toby fitaizana adala teny Ambohimahazo ny fikambanana ka fanampiana. Vary, menaka, bodofotsy, siramamy,savony, paty, ronono mandry ary seau, ireo no natolotry ny fikambanan’ny vadin’ny mpitadro filaminana.
Hatrizay dia tany amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana no niantefan’ny fanampiana nomen’ny fikambanana fa tamin’ity taona ity kosa dia nisafidy ny toby izy ireo. Nambaran’ny Rtoa Raharilalao Marie Beranadette filohan’ny FIVAPOVA eto antsirabe mantsy fa toa lasa anjorom-bala ireo tsy salama saina tezaina nefa mila izany tohana izany izy ireo. Manodidina ny 162 ireo tazaina ao amin’ny toby Ambohimazo amin’izao saingy miova isan’andro izany satria misy ireo mody ary misy kosa ny vao miditra hoy ramatoa Rasoarinoro Odette vadin’ny pastora miandraikitra ny toby. Tanora no tena maro an’isa ao amin’ny toby ary voalaza fa ny fifohana zava mahadomelina no antony. Fahasahiranana ara-tokatrano, olana ara-piterahana, izany kosa no mahazo ny vehivavy ka maha very saina azy ireo ankoatra ny fahanterana sy ny asan’ny devoly mahery vaika.
Andry N.