- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFikaonan-doham-pirenen’ny zandary momba ny fitantanam-bola : Nandaniana vola ny fividianana alika enina...

Fikaonan-doham-pirenen’ny zandary momba ny fitantanam-bola : Nandaniana vola ny fividianana alika enina sy soavaly iray

Ny zoma 24 febroary lasa teo no nifarana ny fikaonan-doham-pirenena teo anivon’ny zandarimariam-pirenena malagasy, izay niatomboka ny alatsinainy 20 feroary sy naharitra herinandro, nandinihan’izy ireo ny fanatsarana ny fitantanam-bola eo anivon’ny sampan’ny zandarimariam-pirenena manerana ny nosy, fihaonana natao tao amin’ny lapan’ny prefektiora tao Mangarano II Toamasina.

“Natao hanatsarana ny fitantanam-bolan’ny zandary hahafahana manatsara ny asa amin’ny fampihodinana izany araka ny tokony ho izy izao fikaonan-doha natao izao, satria ny tanjona dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany” hoy ny Jeneraly Kassimo Aroma Besony; koa nomarihany hatrany izany fa manana adidy goavana ny mpitantam-bola eo anivon’ny sampan’ny zandary manerana ny nosy amin’ny fampiasana ara-drariny sy araka ny lalana ny vola omen’ny fanjakana ny zandarimariam-pirenena isam-paritra. Ny taona nivalona iny dia lany tamin’ny fanamboarana foto-drafitra teo anivon’ireo tobin’ny zandary manerana ny nosy izay efa simba ny 98% ny teti-bolan’izy ireo.

Tao anatin’ny fandaniam-bola ireo no nahafahan’ny zandary nanamboatra trano miisa 21 vaovao, tahaka ny fametrahana toby vaovao tamin’ireo faritra be dahalo sy ireo faritra tena ahitana fitrandrahana ny harena voajanahary antsokosoko, teo koa ireo trano nasiam-paneranana niisa 26. Ankilan’ireo dia isany nandanian’ny zandarimariam-pirenena amin’ny fanatsarana ny asam-pikarohana sy ara-panadiadiana ataony, ny nandanian’izy vola tamin’ny fividianana alika enina sy soavaly iray. Teo ihany koa ny fitarihan-drano tamina toby telo, fiara vaovao enina, vedety iray, solosaina 80 sy kojakoja miaraka aminy 104, ary fandriana vy sy kidoro miaraka aminy ho an’ireo mpiandry raharaha.

Ho an’ny zandarimariam-pirenena araka ny nambaran’ny Jly Kassimo Aroma Besony lehiben’ny fitantanam-bolan’izy ireo eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, dia ezaka goavana hataon’izy ireo amin’ity taona 2017 ity ny fampitombona ny traikefan’ireo olombelony, ka isan’izany ny ho fifehezan’ny zandary manerana ny nosy ny resaka serasera sy ny teknolojia Moderina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici