Manoloana ny lahatsoratra nivoaka an-gazety milaza ny fikarohana an’Andrianjatovo Faniry Moïse, izay voalaza fa manana raharaha mikasika hosoka sy fisolokiana dia manahy mafy ny fianakavian’ity lehilahy ity fa mety ho misy ambadika fanalam-baraka ity ao ambadik’izany. Tsy marina velively ny filazana fa nandositra na niafina ity olona enjehana ity raha ny nambaran’ny zokin’ity farany tonga teto amin’ny trano fanoratanay, omaly. Marina, hoy izy, fa nisy tokoa ny fitoriana mahakasika an’Andrianjatovo Faniry Moïse sy vazaha iray hafa mikasika fanaovana hosoka sy fisolokiana tonga tao amin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) Vakinan-karatra . Efa nisy ny fanadihadiana natao ity vazaha ity tao Antsirabe. Eo am-piandrasana ny fiantsoana azy hiatrika ny fihainonana azy koa i Faniry Moîse no nitranga izao filazana fikarohana hafahafa izao. Ny 22 aprily dia nisy olona tonga tao amin’ny fokontany izay ipetrahan’izy ireo ary nanontany raha ao na tsia i Faniry Moïse. Tsy nampiseho taratasy maha-polisy azy anefa ireo olona ireo fa rehefa nilazana fa tsy ao ilay tadiaviny, izay voalaza fa sendra tsy tao an-trano, dia lasa nandeha. Tsy nisy filazana na fiantsoana azy napetraka tamin’izay fotoana izay. Gaga anefa ny fianakaviana raha nahita fa namoaka iny filazana fikarohana an’i Faniry Moîse tamin’ny tambazotran-tserasera Facebook ny DRSP Vakinankaratra ny 29 aprily tamin’ny 5 ora sy 10 minitra. Asa anefa, raha araky ny nambaran’ny fianakavian’i Faniry Moise fa minitra vitsy taorian’io dia nofafan’ny DRSP Vakinankaratra ilay filazana. Ny olana anefa, efa betsaka no nanaparitaka izany ka io izy lasa nivoaka an-gazety io. Nahatsapa angamba ny polisy fa nisy fahadisoana tamin’ny fomba fiasan’izy ireo ka nanao izany famafana izany. Ny nahavariana dia ny 4 mey vao nisy nanatitra tany amin’ny fokontaniny ny taratatsy fiantsoana an’i Faniry Moïse, izay araka ny voalaza tao dia tamin’ny 30 aprily no namoahana izany, ary tokony ho ny 3 mey no tsy maintsy tonga any amin’ny polisy ny lehilahy. Ity farany izay voalaza fa tsy niala tao amin’ny fonenany mihitsy hatramin’izay. Eo anoloan’izany dia mahatsiaro ho afa-baraka noho iny filazana tsy mitombona iny ny fianakavian’i Faniry Moîse ary mihevitra fa mety misy ambadika hafa mihitsy izao raharaha izao. Andrasana noho izany ny fanazavana entin’ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena amin’ity raharaha ity.
T.M.



