Zandary am-perinasa ny roa, mpiambina manokan’ny filoha teo aloha ny hafa ary voalaza fa atidoha nikotrika ity heloka bevava, izay manohintohina ny filaminam-panjakana, dia lehiben’ny orinasa misehatra amin’ny fiarovana.
Nahatratra enina ireo olona nosamborina sy nohadihadian’ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovan’Analamanga, niara-niasa tamin’ny Sampandraharahan’ny zandary miady amin’ny heloka bevava. Izany dia taorian’ny fikasàna hamono olom-panjakana tsy tanteraka tetsy Androndrakely, taorian’ny filankevitry ny minisitra farany, talohan’ny fetim-pirenena iny. Raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana dia ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, no saika nataon’izy ireo lasibatra tamin’io fotoana io. « Efa ela ihany, talohan’iny fankalazana ny fetim-pirenena iny no efa tonga tety am-pototsofinay ny fikasàna hanakorontana izany fety izany ary ny fisian’ny fandrahonana sy fikasàna hamono olom-panjakana. Mazava ho azy fa nahetsika avokoa ireo rantsa-mangaikan’ny fikaroham-baovao teto anivonay manoloana izany. Ary tamin’izany no nahafantarana fa vonona hiroso amin’ny fikasàny ireo olona, izay efa nisy niatrana tamin’ireo lalana avy eny Iavoloha mihazo ny renivohitra, taorian’io filankevitry ny ministra farany talohan’ny fetim-pirenena io », hoy ny fanazavàna nomen’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary Analamanga.
Tamin’io fotoana io, tetsy Androndrakely dia nisy ny olona tratra tokoa, niaraka tamin’ny basy poleta efa nifahana sy bala maromaro. Toerana handalovan’ny tompon’andraikitra ny voalohany misahana ny zandary tokoa io toerana io. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana sy andrimaso ireto farany ary natomboka teo ny famotorana mahakasika azy ireo. « Marihana, hoy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny zandary miady amin’ny heloka bevava, fa nisy tamin’ireo tratra ireto no zandary am-perinasa. Heverina ihany koa anefa fa tsy hahavita samirery izany fikasàna hamono olom-panjakana izany ireto farany fa tsy maintsy misy ireo atidoha nikotrika izany. Teo anetrahan’ny zava-nisy dia voatery izahay niditra lalindalina tamin’ny fanadihadiana. Ka nisy ny fijerena sy fanagiazana ny kaontin’ireto olona ireto tany amin’ny banky ». Araka izany, na dia omaly aza no nalefa natolotra ny teo anivon’ny Fampanoavana ireto olona ireto, dia mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny zandary. Azo heverina fa tsy ireto tratra ireto ihany fa mbola betsaka ny rantsa-mangaikan’izy ireo, ka tsy maintsy atao izay hisamborana azy rehetra, raha ny fanazavàna azo. Voalaza mantsy fa anisan’ny tetikady iray nentin’ireto andian’olona ireto, hanakorontana ny fankalazàna ny fetim-pirenena izay tranga fikasàna hamonoana ny Seg izay. Ankoatra izay efa voalaza sy nentinay teo amin’ny gazety omaly, mahakasika ny fandrohanana ho faty niantefa tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsany. Tsy tanteraka ary voasoroka mialoha ihany izany, nahafahan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka nifety am-pifaliana ny asaramanitra.
m.L