Noho ny herin’ny vola, sahy ny tanora sasany ankehitriny! Vazaha iray monina ao Mahajanga no saika namoy ny ainy rehefa novonoin’ny olona dimy mianadahy tao an-tranony, ny 01 janoary lasa teo. Raha ny vaovao voaray, nanao fety be ity teratany vahiny ity ny andron’ny taom-baovao teo, ka nanasa azy dimy mianadahy ireto, izay tovovavy ny efatra, tovolahy kosa ny iray, mba hiara-paly taminy, fa asaramanitra ny andro. Nandritra ny lanonana, nangalatra tao an-tranon’ity vazaha ny iray tamin’ireo nasaina, ka hita tamin’ny « Camera de surveillance ». Taorian’ izay, niverina ilay mpangalatra ary namono an’ilay vazaha. Nanampy tamin’ny famonoana an’ity teratany vahiny ity ihany koa ireo tovovavy efatra nijanona nandihy tao an-trano, sakaizan’ilay vazaha ny tovovavy iray. Naratra mafy ilay vazaha ary nanaraka fitsaboana teny amin’ny hôpitaly. Rehefa nivoaka ny hôpitaly ity teratany vahiny ity dia nametraka fitoriana. Taorian’izay, raikitra ny fikarohana an’ireo nahavanon-doza, ka voasambotry ny mpitandro filaminana izy dimy mianadahy niray petsapetsa tamin’ny famonoana an’ity vazaha. Aorian’ny famotorana ataon’ny polisy mandray an-tanana ny raharaha, dia hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ireo voarohirohy.
Eric Manitrisa