- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFikasihan-tànana mpanao gazety : Polisy iray nidoboka am-ponja eny Antanimora

Fikasihan-tànana mpanao gazety : Polisy iray nidoboka am-ponja eny Antanimora

Omaly no natolotra ny fampanoavana ny polisy roa. Voarohirohy tamin’ny fikasihan-tànana mpanao gazety izy ireo nandritra ny lalao ara-panatanjahan-tena natao tao Mahamasina. Nidoboka am-ponja eny Antanimora ny iray raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny faharoa. Fikasihan-tànana izay niteraka faharatràna no anton’ny fitorian’ilay mpanao gazety mpaka sary. Nisy fifandirana kely teo amin’ny samy polisy nandritra ny fiambenana ny lapan’ny fanatanjahan-tena tamin’io fotoana nitrangan’ny disadisa io. Nanaitra ilay mpanao gazety izany ary nahatonga azy naka sary avy hatrany ny zava-nisy hitan’ny masony. Teo dia tezitra ny polisy ary niteny taminy ny mba hamafàna ny sary nalaina. Nifandrirotra teo ny roa tonta satria tsy nanaiky izany ilay mpanao gazety mpaka sary. Nanomboka niakatra ny feo ary tonga hatramin’ny fikasihan-tànana izany. Niteraka disadisa ary vetivety dia henon’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny minisitera mpiahy roa tonta ny resaka. Ny alin’iny aza dia nivory mihitsy ny mpanapa-kevitra teo anivon’ny polisy nasionaly ny amin’ny hanaovana ireo olony. Teo dia tapaka fa hosaziana anatiny aloha izy roa lahy. Notazomina tao amin’ny kaomisaria foibe nandritra ny andro maromaro ary tsy afaka nivoaka na nifanerasera tamin’ny olon-kafa. Nandeha ny fanadihadiana anatiny nataon’ny IGPN (inspection) ary rehefa vita izay dia nandeha indray ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana, izany hoe omaly. Afaka niverina nanohy ny asany andavan’andro ilay iray izay nahazo fahafahana vonjimaika raha miandry ny fotoam-pitsaràna azy eny am-ponja kosa ilay faharoa. Omaly ihany koa dia mbola nisy polisy iray hafa natolotra ny fampanoavana rehefa voarohirohy tamin’ny kolikoly ary ny polisy ihany no nanenjika sy nanao fanadihadiana azy (jereo lahatsoratra etsy ankila).

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici