- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversFikasihan-tànana tetsy Ampitatafika : LP ilay Kaomisera, MD eny Antanimora ny zanany

Fikasihan-tànana tetsy Ampitatafika : LP ilay Kaomisera, MD eny Antanimora ny zanany

Nahazo fahafahana vonjimika ilay komisera ary nidoboka am-ponja eny Antanimora kosa ny zanany. Niakatra fampanoavana omaly ilay raharaha fandratrana olona tetsy Ampitatafika, tao amin’ny « parking » iray ny 5 jiona lasa teo. Tsy nanaiky ilay olona naratra ary nitory teo anivon’ny fampanoavana ary ny polisy koa dia nanokatra fanadihadiana anatiny avy hatrany momba ity raharaha ity. Tao anatin’izay fotoana izay koa anefa dia nametraka fitoriana izy mianaka ary dia samy nohenoina omaly teny anivon’ny fampanoavana, izany hoe na ny andaniny  na ny ankilany;izay voakasiky ny dosie. Niteraka resa-be ity tranga tetsy Ampitatafika ity, ary nanampy betsaka tamin’ny nahafantarana ny zava-nisy ny tambajotra sosialy. Fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny herisetra mantsy, avy hatrany dia nitantara ny nanjo azy ilay rangahy izay naratra sy voatery niditra hopitaly. Isan’ny notsipihany ny fahamamoan’ireo olona izay nikasi-tànana azy ary koa ny ompa variraraka. Raha tsiahivina,  disadisa tsotra izy tsy tokony ho niafara tamin’ny fidarohana no nitranga. Tao amin’ny toerana fametrahana fiara mahazatra no nifanao aloha sy aoriana ny fiara roa dia ilay  nitondra ny komisera sy ny zanany ary olon-kafa sy ny fiaran’ilay olona izay hitady ny fitoerany ao. Raha somary nitohana ilay làlana satria mbola eo am-pijerena ny hametrahana azy ny ankilany, tezitra mafy ny andaniny. Raikitra ny ompa avy amin’ny « klaxon ». Teo no nanomboka ny gidragidra satria raha ny filazan’ny mpitory voalohany dia fikasihan-tànana avy hatrany no nanjo azy raha mba nangata-panazavana momba ilay ompa izy. Afak’omaly raha araka ny re  no efa saika niakatra fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny fihaonan’ny Inspection Générale-n’ny polisim-pirenena ilay komisera. Tsy tontosa anefa izany raha tsy omaly rehefa nametra-pitoriana koa ilay kaomisera sy ny zanany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici