Miroborobo tokoa amin’izao, ity fikirakirana vola amin’ny finday ity. Tsotra sady haingana, tsy ilaina taratasy lava be ny fametrahana, fangalàna na fandefasana vola ary saika isaky ny kihon-dalàna dia mety anaovana izany daholo. Izay zavatra izay mazàna no misarika ny sain’ireo olon-dratsy. Ambonin’ny fanafihana mety hahazo ireny mpikirakira vola amin’ny finday ireny, toy ireo efa maromaro nitranga teto Andrenivohitra sy tany amin’ny faritra hafa, dia fantatra fa manjaka ihany koa amin’izao ny asa fisolokiana amin’izy ireny. Fitarainana maro isan-karazany no tonga teo anivon’ireo pôlisy ekônomika mahakasika ireny tranga fisolokiana amin’ny finday ireny. Midika izany fa, efa betsaka ireo olona tratra, ary saika vola amana hetsiny maro, an-tapitrisany mihitsy no lasa amin’izany. Raha ny fitantaran’ireo tompon’andraikitra amina tambajotra iray, dia mazàna ireo olona vaovao, na vao miditra eo amin’io sehatry ny fikirakirana vola amin’ny finday io no tena voa. Hafatra sandoka amin’ny finday, hakingan-tànana sy fanova-maso, fahazoana loka tsy fantam-piaviana, sns. Ireo matetika no tena fanaon’izy ireo; izay efa tambajotra matanjaka mihitsy. Hatreto anefa, mbola tsy nisy na dia iray aza voasambotra. Tsy hita mantsy izay fomba hanenjehana azy, hoy ireo mpitandro filaminana. Irony karazana “puce” amidy eny amoron-dalana, tsy voasoratra na amin’iza na amin’iza irony no ampiasain’ireo mpisoloky. Vita ny asa ratsiny dia ariany iny, mividy hafa indray izy avy eo. Eo anatrehan’izay indrindra, dia manao antso avo amin’ireo tambajotram-pifandraisana ireo mpitandro filaminana, mba handray fepetra ny amin’ireo mpivarotra ireny. Tokony ho mailo sy hitandrina tsara ihany koa ny tsirairay, fa tsy kely làlana ary tsy misy tandroka koa ny ratsy.
m.L