- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFikorontanan’ny fifamoivoizana ao Toamasina : Mpitondra cyclo-Pousse sy vehivavy iray tapaka

Fikorontanan’ny fifamoivoizana ao Toamasina : Mpitondra cyclo-Pousse sy vehivavy iray tapaka

Misaritaka tanteraka ny fitaterana sy ny fifamoivoizana eto anivon’ny kaominina ambonivohitra Toamasina. Ny alarobia 5 janoary teo tokony tamin’ny 2 ora sy sasany, teny amin’ny sampanan-dalana Tanamakoa sy Morafeno, dia ireo samy posy ihany no nifandona noho ny tsy fanajana ny takelaby “stop”. Ilay cyclo-pousse iray no tsy nanaja ny fiholanana. Teo no niteraka ny fifandonana teo amin’ireto cyclo-pousse roa. Vokatr’izany dia tapaka ny vy ipetrahan’ny kodiaran’ilay cyclo-pousse iray. Niaraka tamin’izay dia tapaka niaraka tamin’izay koa ny tongotr’ity renim-pianakaviana nentiny noho ny fianjerany tamin’ny arabe, ary mbola nidona tamin’ilay cyclo-pousse nifandona tamin’izy ireo. Tsy taitra tamin’izany ireo cyclo-pousse nifandona sy ireo namany nitangorona, fa ilay posy tapaka no nampiady hevitra azy ireo. Mpitondra fiara sendra nandalo nahare ilay ramatoa nitaraina mafy no nitondra ilay renim-pianakaviana namonjy hopitaly mba hanao fizaham-pahasalamana. Izao ny vokatry ny fisaritahan’ny fifamoivoizana eto Toamasina amin’izao fotoana izao. Nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay ramatoa raha vao tonga teny amin’ny hopitaly. Ankoatra izay, nandritra izany koa dia hita ho tsy nisy hita avokoa na polisy kaominaly na ny polisy nasionaly nandamina ny fifamoivoizana, ka lasa niteraka fitohanan-dalana ilay loza niseho tao Tanamakoa – Morafeno tamin’ireto cyclo-pousse roa nifandona.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici