- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikotrehana fitokonana ao Barikadimy : Resaka saram-pisoratana anarana “vaovao” no olana

Fikotrehana fitokonana ao Barikadimy : Resaka saram-pisoratana anarana “vaovao” no olana

Manomboka manafana ny eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, nanomboka ny herinandro nivalona iny, izay mbola nitohy tamin’ity herinandro ity, noho ny fisian’ny fikotrehana fitokonana ataon’ireo mpianatra, izay efa namorian’izy ireo mpianatra namany nanazavan’izy ireo ny antony.

Raha ny voalazan’ireto mpianatra, dia tsy eken’izy ireo ny fanondrotan’ny oniversiten’i Toamasina ny saram-pisoratana anarana amin’izao taom-pidirana vaovao hanomboka ny 2 mey izao. Lasa 90.000 ariary izany ho an’ny taona voalohany sy 100.000 ariary ny taona faha-2 raha samy 70.000 ariary teo aloha; lasa 110.000 ariary kosa izany ho an’ny taona faha-3 sy 140.000 ariary ny taona faha-4 raha samy 80.000 ariary kosa teo aloha; izany hoe nahitana fisondrotana 30.000 ariary hatramin’ny 60.000 ariary izany nanomboka amin’ny taom-pianarana vaovao 2016 – 2017 hanomboka ny volana mey. Vokatr’ izay dia mikasa ny hanakatona ny sampan-draharaha fisoratana anarana ireo mpianatra, ary mangataka ny hampijanonana aloha  ny fampiharana ity saram-pisoratana anarana vaovao ity.

Saram-pianarana ara-dalana. Ho an’ny oniversite indray araka ny fanazavana, dia tsy natao an-kamehana ny fanondrotana saram-pisoratana vaovao ity, fa efa fangatahan’ny sampam-pianarana teo anivon’ny onivesiten’i Toamasina nanomboka ny taona 2014, ary tokony ho efa nampiharina ny taom-pianarana nivalona iny saingy mbola tsy nampiharin’ny filohan’ny oniversite tamin’izany. Nomarihan’ny oniversite hatrany, fa ny komitim-pitantanan’ny oniversite no mpanapaka noho ny fahatsapan’izy ireo, fa tena mila vola ny oniversite amin’ny fiatrehana ny fanatsarana ny tontolon’ny oniversiten’i Toamasina, sy ny fidirana ao anatin’ny fomba fampianarana LMD na “Licence – Master – Doctorat”, ary ny fandraisana ny mpianatra eo anivon’ireo trano ho azy izay tsy maintsy mbola handanian’ny oniversite vola 280 tapitrisa ariary amin’ny Jirama hisian’ny herinaratra mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra.

Ankoatra izay, dia mitovy amin’ireo oniversite rehetra manerana ny Nosy ny saram-pisoratana anarana ampiharin’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy; ary mbola mora raha oharina amin’ny sampan’ny oniversite ao Fenerivo atsinanana izay 500.000 ariary ny saram-pisoratana anarana, sy 200.000 ariary izany ho an’Ambatondrazaka. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitantanana ny oniversite sy ireo mpianatra, ny zoma lasa teo sy ny alatsinainy maraina teo nifanazavana mikasika izao raharaha izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici