- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Fil an’ny Jirama 200m nanjavona

Arivonimamo : Fil an’ny Jirama 200m nanjavona

Efa sahirana amin’ny herinaratra ny tanàna, mbola misy ihany ny mangalatra taroby mpitondra herinaratra. Ary tao anaty faharapahan-jiro aza no nanararaotan’ny mpanao ratsy nanatontosàna ny halatra, raha araka ny tombana. Teo amin’ny fokontany antsoina hoe Ambohitrandaindimby, ao Arivonimamo no niseho ny halatra. Nianihan’ireo olon-dratsy ny andrin-jiro maromaro, tsy latsaky ny efatra ary tombanana ho 200metatra ny taroby lasa raha mielanelana 50 metatra ny andrin-jiro. Mitondra herinaratra maherivaika ireny taroby eny ambony andrin-jiro ireny satria mbola misy milina fampidinana ny tanjaka izay vao mizara isan-tokantrano. Izany hoe, raha niverina tampoka ny herinaratra ka mbola teny ambony teny ny jiolahy dia azo heverina fa maty tsy tsa-drano. Saingy toa efa hain’izy ireo angamba ny lera hiverenan’ny herinaratra na koa misy ny firaisana tsikombakomba any ho any. Tsy vita vetivety rahateo ny fianihana sy fanalàna ny taroby amin’ny andrin-jiro maromaro. Vy, taroby, jiro mandeha amin’ny masoandro, saika tapitra tsikelikely manjavona avokoa izany ankehitriny raha vao tsy misy mpiambina. Fangalarana ny fananana iombonana izay vao mainka mampihemotra ny hatsaran’ny tanàna.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici