Manomboka izao, handray fepetra hentitra ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena mahakasika ankizy sy tanora maromaro milalao « roller », « skateboard » ary « bmx » eny an-dalambe, fa indrindra ireo tratra misavika fiara.
Ankizilahy kely maromaro no voatery noraofin’ny pôlisy teny amin’iny faritra 67ha iny noho ny filalaovana « roller » eny an-dàlana. Tsy vitan’ny milalao fotsiny moa ireto ankizy ireto, fa mbola misetrasetra misavika avy aty aoriana ireo fiara hitany mandeha eny amin’ny arabe. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ireto ankizy kely ireto, ary naterina tany amin’ny ray aman-dreniny tsirairay avy rehefa avy nogiazana ireo « roller » teny an-tongotr’izy ireo. Tsy vitan’izany anefa, fa mbola nomena taratasy fampiantsoana ny ray aman-drenin’izy ho eny amin’ny birao. « Nisy ny fampatsiahivana amin’ny fandraisana andraikatra tokony hataon’ny Ray aman-dreny amin’ny zanany ary koa ny fampahalalana azy ireo, fa tsy azo atao ny milalao « roller » eny an-dàlam-be, fa efa misy ny faritra voatokana hanaovana izany. Manaiky ny fahadisoany ireo ray aman-dreny ary nilaza fa tsy hamela ny zanany hanao izany intsony. Ireo « roller » notazonina kosa dia naverina tamin’ireo zaza ary nampianarina koa ireto farany fa zava-doza ny filalaovana izany eny amin’ny arabe » hoy ny fanazavana azo.
Tsikaritra tokoa tato ho ato, fa tena misangy loza ireto ankizy sy tanora amin’itony karazan-dalao iray itony. Tsy eny amin’iny faritra 67ha iny ihany, fa saika hita tamin’ireo arabe amina faritra maro eto an-dRenivohitra. Hisy ny fandraisana fepetra hentitra ato ho ato ho azy ireny. Marihana mantsy, hoy hatrany ny fanazavana azo, fa efa misy toerana manokana filalaovana ireny karazan-dalao voasokajy ao anatin’ny fanantajahan-tena somary mahery setra ireny, izay ahitana : ny « roller », ny « skateboard » ary ny « bmx ». Tsy azo atao araka izany ny filalaovana izany ivelan’ireny toerana ireny, fa indrindra moa ny eny an-dalambe na anaty arabe izay mety hiteraka loza mahatsiravina na ho an’ireo ankizy na ho an’ireo manodidina azy. Na izany aza, voalazan’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fa raha atao toy ny fitaovana fifamezivezena izy ireny dia azo sokajiana ho toy ny « mpandeha tongotra misy kodiarana » ireo olona mampiasa azy. Tsy mahazo mandeha amin’ny arabe, fa tsy maintsy eny amin’ny « trottoir » ary tsy maintsy mandeha miadana (3-4 km/h ihany) sy manaja ireo mpandeha tongotra hafa.
m.L