- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka ao Toamasina : Miverina mahazo vahana ny hala-botry sy fisolokiana…

Filaminam-bahoaka ao Toamasina : Miverina mahazo vahana ny hala-botry sy fisolokiana…

Raha miha-henjana ny fisafoana isam-pokontany sy eny an-dalam-be ataon’ny polisy izao dia tsy mahita lalana firy hamelezana ireo andian-jiolahy samihafa, ka lasa miaina amin’ny hala-botry sy fisolokiana ary harom-paosy an-tsena ankehitriny. Fikambanan-jiolahy mpangalatra « cyclo-pousse » miisa efatra no saron’ny polisy tao Tanambao Verrerie teo am-panovana ireo « cyclo-pousse » nangalarin’izy ireo. Mody mandeha posy ireto fikambanana mpangalatra « cyclo-pousse » ireto ary mandritra izany dia “vola be” no omeny ilay mpitondra posy. Iny variana manakalo vola iny ilay mpitondra izany dia etin’izy ireo ny posiny, dia manomboka eo amin’izay ny fanovana ny aminy rehetra. Ankilan’izany dia tovolahy iray 26 taona efa fantatry ny mpivarotra saingy tsy misy sahy miteny sy manoro noho ny tahotry ny valifaty, no saron’ny polisy teo am-panendahana olona mpiantsena tao Bazary kely. Tsy nanampo ity tovolahy ity fa polisy manao fanamiana sivily nalefa hisava ireo mpangarom-paosy tao Bazary kely mihitsy no nanaovany ny asa ratsiny ka noraisim-potsiny niaraka amin’ny antsy fandrahonany ireo tratrany. Ankoatra izay dia mpangalatra moto iray hafa, raha tafatsoaka ny namany, no tratran’ny polisy tao Anjoma tokony tamin’ny 2 ora maraina teo am-panosehana ilay moto avy nangalariny. Na efa nanapoaka basy mba hampijanonana azy aza ireo ny polisy dia nitsoaka ihany ny iray. Natahotra kosa ka nijanona sy noraisim-potsiny ny namany. Mitohy ny ezaka, hoy ny polisy, saingy mbola miangavy fiaraha-miasa amin’ny rehetra izy ireo amin’ny fanomezam-baovao, sy tsy hanao fitsaram-bahoaka raha azo atao…

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici