Ho fanatsaran’ny polisim-pirenena eto Toamasina izay sahanin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, dia miditra amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao sy ny fomba vaovao amin’ny fiseraserana izy ireo izao, ka misy ny fampiasan’izy ireo ny tamban-jotra “facebook” ho fanamorana izany fifandraisana sy ny serasera ataony izany ho antoky ny filaminam-bahoaka. Vokatra izay fiaraha-miasa matotra eo amin’ny polisy sy ny vahoaka izay dia andian-jiolahy enina indray no saron’izy ireo tamin’ity heinandro ity. Ny roa dia isan’ireo mpamaky trano ao amin’ny fokontan’Anjoma; teo am-pamakiana fivarotana teo amoron-dalana raha avy nisotro zava-pisotro misy alikaola tao amin’ity trano fisotroana iray izy roa lahy ireo no nanitan-kevitra namaky izany, tsy tao am-pivarotana raha teo ny tompony fa nisy toerana naleha tokony tamin’ny 11ora alina. Nisy nahita anefa izy roa lahy ireto ka niantso polisy ka raha avy nifanejehana ny iray dia voasambotra saingy mbola niezaka ny nitsoaka ka voatifitra teo amin’ny tongony ho fampijanonana azy; taorian’izay dia izy no nanoro ilay namany efa nosy tany an-tranony ka voasambotra ihany koa. Ankilan’izany izy efatra mianadahy ka vehivavy ny iray izay tena andian-jiolahy mihintsy raha ny tantarany eo amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibrosy eto Toamasina. Ilay vehivavy no manao ny fanaony amin’ny fampanofana ny tenany, raha mahita ireo mpanjifany manam-bola izy, dia izy indray avy eo no miantso ireto namany telo lahy manedaka sy mandrava izany eo am-pivoahana ireo tranon-dopy. Saingy sendra ny nahay azy izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity ka izao tratra sy tsy afaka nanda ny fanaon’izy ireo izao intsony. Raha niakatra fitsarana ny raharaha omaly tolakandro dia samy miandry fitsarana am-ponja avokoa izy enina mianadahy ireto. Ankoatra izany dia fantatra ihany koa izao fa nisy olona roa voasambotry ny polisy teto Toamasina, izay efa hain’ny maro fa mpanao andian-jiolahy sy efa nahafaty olona tao Ankirihiry, no voatery navotsotry ny polisy noho ny fanelanelanana nataon’ny lehiben’ny arofenitry ny faritra Atsinanana azy ireo. Manahy valifaty vokatra izao raharaha izao anefa ity tovolahy niharan’ny herisetra sy ny tompon’ilay trano filanonana nisamborana azy ireo tamin’izao raharaha izao.
Malala Didier