- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka eto Toamasina : Jirofo 160 lasaka sy basy vita gasy 02...

Filaminam-bahoaka eto Toamasina : Jirofo 160 lasaka sy basy vita gasy 02 saron’ny polisy

Nahazo vaovao tamin’ireo mpanome vaovao azy sy ireo andrimasom-pokonolona mpiara-miasa aminy ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborintany faha-02 Tanambao II ny faramparan’ny herinandro teo. Milaza ny vaovao azon’ny polisy fa misy andian’olona te-hangalatra ny jirofo ao anaty magazay eto Toamasina.

Raha nohamarinina izany dia tratra ny zoma alina ity kamiao iray hafahafa, ka rehefa nosakanana dia taratasy hosoka momba ny entana nentiny no nasehony. Rehefa nosavaina ny tao anaty kamiao dia ireo tokoa ireto jirofo 160 lasaka milanja 8.000kgs efa vonona haondrana. Nosamborina avy hatrany ilay mpamily, satria izy ireo aloha no sarona nandritra izao raharaha izao. Taorian’ny fakana am-bavany azy no nilazany fa fifanarahana ara-barotra tsotra ny azy, ka 150.000 ariary ny sandan’ny fitaterana ireto jirofo. Raha natao kosa ny fanadihadiana rehetra dia ny sefon’ilay magazay, Ingahy Kiki Ferdinand, misy ilay jirofo ihany no lehiben’izao halatra izao. Mbola karohina ny tenany amin’izao satria nitsoaka. Efa tafaverina tamin’ny tompony kosa ilay jirofo 160 lasaka, satria efa vonona haondrana any Inde ireto jirofo nisy nangalatra tratra ireto.

Ankoatra izany dia saron’ny polisy avy ao Mangarano misy ny boriborin-tany faha-02 tao Tsarakofafa Botanique iny, ny zoma lasa iny, ny tovolahy iray atao hoe Edson Charles na Eddy. Raha mikasika resaka halatra moto sy vaky trano no nanenjehan’ny polisy azy tamin’izay, dia tratra tao an-tranony koa ny basy roa vita gasy sy basy iray eo am-panamboarana, ankoatra ilay moto halatra sy ireo entana halatra amin’ireo tranon’olona vakiany. Niaiky Ingahy Eddy fa tena mpanamboatra basy vita gasy, saingy tsy basy amidy no tena ataony fa basy entin’izy ireo sy ny ekipany manao ny asa ratsiny, araka ny fanazavany. Araka ny fanazavana nataon’Ingahy Eddy hatrany dia izy sy i Mainty ary ny ekipany avokoa no manao ireo fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Tsarakofafa sy Botanique ary Tsararivotra iny hatramin’izay. Fitoriana 07 no efa miandry an’i Eddy eo anivon’ny polisy amin’izao, araka ny fazavana. Eo am-pikarohana ny namany ny polisy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici